Aller au contenu

Gnetophyta

Avy amin'i Wikipedia
Welwitschia-mirabilis (vavy)

Ny Gnetophyta dia fizaràna ao amin' ny vondron-javamaniry misy lalan-dranon-kazo (Tracheophyta), na kilasin' ny Gnetopsida araka ny fanasokajiana vaovao. Zavamaniry minofon-kazo tsy misy fantsona mpamokatra rezinina izy ireo, ary ny fôsily tranainy indrindra aminy dia tamin' ny vanim-potoana Permiana (-270 tapitrisa taona). Izy ireo no hany zavamaniry ao amin' ny Gymnospermae misy nofo toy ny an' ny zavamaniry roa ravin-tsimoka.

Ephedra distachya

Mifanakaiky amin' ny Pinales na Pinaceae izy ireo, na dia noheverina ho vondrona rahavavin' ny Angiospermae aza nandritra ny fotoana ela, izay niaraka namorona aminy ny vondrona mônôfiletika Anthophyta.

Gnetum gnemon

Manana toetra maromaro mitovy amin' ny zavamaniry mamony tokoa izy ireo, saingy vokatry ny fifanojoan' ny evôlisiôna izany (ohatra: ny fiarovana ny spôrôfila amin' ny fono braktealy na ny fisian' ny ksilema manana fantsona mpitatitra marina, sns.).

Fanampin' izay, hita fa tsy tena mitovy amin' ny "fahalonahana roa sosona" ao amin' ny Gnetales ny fahalonahana roa sosona ao amin' ny Angiospermae. Amin' ity farany ity, ny gameta iray dia manome ny zigôty (sela azo amin' ny fitambaran' ny tsiry lahy sy vavy) miaraka amin' ny ôôsfera ary ny gameta iray hafa dia manome, miraka amin' ny nokley an-tendro, tambatsela tahiry ho an' ny vihy: ny albiomena. Fa ao amin' ny Gnetales kosa, ny gameta lahy roa dia hitambatra amin' ny nokleo akaiky indrindra (ao amin' ny vondron-karazana Gnetum) mba hanome zigôty roa. Koa satria prôembriôna iray ihany no afaka miforona isaky ny vihy, dia ho faty ny zigôty fanampiny ka dia tsy hisy tambatsela tahiry ho an' ny vihy. Izany no antony tsy dia iresahana fahalonahana roa sosona.

Noho izany, ny fiheverana fa ny Gnetales sy Angiospermae dia vondrona rahavavy dia tsy dia misy lanjany loatra.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]