Global Voices

Ny Global Voices dia tambajotra iraisam-pirenena ahitana bilaogera, mpandika teny, mpanao gazety, mpanoratra, mpikaroka ary mpikatroka miaro ny zon'olombelona, izay manara-maso sy mitatitra momba ny tontolon'ny mediam-bahoaka maneran-tany[1][2]. Tetikasa tsy mitady tombontsoa manokana izy io, izay niforona tao amin'ny Berkman Center for Internet and Society(en) ao amin'ny Harvard Law School (en) taorian'ny fihaonanà bilaogera iraisam-pirenena tamin'ny Desambra 2004. I Ethan Zuckerman (en) sy Rebecca MacKinnon (en) no namorona ny fikambanana. Tamin'ny taona 2008 dia lasa fikambanana tsy miankina no sady tsy mitady tombontsoa manokana ny Global Voices, ary ao Amsterdam (Pays-Bas) no misy ny foibeny.
Ny tanjony
[hanova | hanova ny fango]Manana tanjona roa lehibe ny Global Voices. Ny voalohany dia ny hanangana tetezana mampitohy ny fiteny sy ny kolontsaina samihafa. Ekipa iray misy tonian-dahatsoratra sy mpandika teny mpirotsaka an-tsitrapo an-jatony maro no mifantina lahatsoratra sy vaovao avy amin'ny bilaogy sy tambajotra sôsialy manerana izao tontolo izao, izay mifantoka manokana amin'ireo firenena na vondrompiarahamonina izay tsy dia hita loatra an-tserasera.
Ny tanjony faharoa dia ny hamolavola fitaovana sy ho enti-manana mba hanamora sy hampahomby kokoa ny tanjony voalohany. Matetika ny fandraisan'ny media mahazatra sy ny fizaràny ny vaovao momba ireo vondro-mpiarahamonina tsy manana solontena firy an-tserasera no fomba tsara indrindra handrenesana ny feon'ireto farany. Noho izany, mankasitraka tanteraka ny fizaràna ny lahatsoratra mivoaka ao aminy sy misokatra amin'ny fiaraha-miasa ary mandray ny tenany ho loharano mifameno amin'ny gazety mahazatra, fa tsy mijoro ho mpanohitra ny Global Voices.

Nankalaza ny fahafolo taonany ny Global Voices tamin'ny 2015, nandritra ny Fihaonamben'ny Mediam-bahoaka tany Cebu[3] any Filipina. Fikambanana isan-karazany, anisan'izany ny Reuters, ny Ford Foundation, ary ny HIVOS Foundation, no nanohana na manohy manohana ny Global Voices amin'ny alalan'ny vatsim-pianarana sy ny loka ary ny fiaraha-miombona antoka hatramin'ny nitsanganany. Noho ny fandraisany anjara amin'ny fanavaozana entiny eo amin'ny asa fanaovan-gazety, ohatra, dia nahazo ny Loka Knight-Batten ny Global Voices tamin'ny 2006.
Toy ireo Fihaonamben'ny Global Voices izay efa nisy teo aloha[4], ny andiany 2024 misokatra ho an'ny daholobe dia natao tamin'ny 6 sy 7 Desambra tany Kathmandu any Nepaly, izay hetsika hiresahana araka ny fomba fijerin'ny maro anisa maneran-tany momba ny haino aman-jery nomerika sy ny fahalalana ary ny fikatrohana, no sady fankalazana ihany koa ny faharoapolo taonan'ny Global Voices.[5]
Fandikana ny tranonkalan'ny Global Voices amin'ny fiteny hafa
[hanova | hanova ny fango]
Tamin'ny 2007 dia nisy tetikasa handikana an' ilay tranonkala mampiasa mpilatsaka an-tsitrapo avy amin'ny teny anglisy ho amin'ny fiteny hafa natomboka tanatin'ny tetikasa Lingua. Amin'izao fotoana izao dia telopolo ny tranonkala mamoaka lahatsoratra tsy tapaka amin'ny fiteny maro, ary tsy mifampiankina. Folo eo ho eo no mamoaka lahatsoratra amin'ny fiteny tsy fahita firy na zara raha ampiasaina an-tserasera, toy ny Aymara. Amin'izao dia afaka mamoaka lahatsoratra sy fanehoan-kevitra amin'ny fiteniny avokoa ny ekipa mpanonta tsy miankina rehetra. Avy eo ireo lahatsoratra ireo dia adika amin'ny teny anglisy, frantsay na iray amin'ny fiteny telopolo hafa ampiasaina anatin'ity vondrom-piarahamonina ity, araka ny môdely fandikan-teny an-tsitrapo.
Manana rantsana eto Madagasikara ihany koa ny tetikasa Lingua, ary hatramin'ny taona 2024 dia maherin'ny 20 000 ny lahatsoratra efa voadikan'ny ekipa[6] ao amin'ny vohikalany.[1]
Ny sampana ao anatiny
[hanova | hanova ny fango]Mizara ho tetikasa telo lehibe ny Global Voices anatin'ny fanatanterahany ny tanjony.
Lingua
[hanova | hanova ny fango]Ny Lingua dia vondrona mpandika teny iraisam-pirenena[7] mandika ny tantara avy ao amin'ny efi-baovaon'ny Global Voices[8] ho amin'ny fiteny mihoatra ny 40, anisan'izany ny teny malagasy[9].
Advox
[hanova | hanova ny fango]Vondrona mpikatroka[10] miaro ny zo sy ny fahafahana an-tserasera ary miady amin'ny fanampenam-bava[11] ny Advox.
Raising Voices
[hanova | hanova ny fango]Tetikasa entina manome hery ny vondrom-piarahamonina vitsy anisa te hampahafantatra ny tantarany amin'izao tontolo izao ny Rising Voices. Izy no manome fitaovana sy fampiofanana azy ireo toy ny fampiasana fitaovana fizaràna vaovao azon’ny rehetra ampiasaina.[12]
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Loharano
[hanova | hanova ny fango]- 1 2 https://mg.globalvoices.org/
- ↑ Inona ny Global Voices? · Global Voices teny Malagasy
- ↑ Global Voices Summit 2015 · Cebu City, Philippines – January 24-25, 2015
- ↑ Ireo vovonana efa notanterahana · Global Voices teny Malagasy
- ↑ Fanambaràna ny fihaonambe 2024-n’ny Global Voices: Miaraha aminay any Kathmandu, Nepal ny 6 – 7 Desambra! · Global Voices teny Malagasy
- ↑ Izahay · Global Voices teny Malagasy
- ↑ Team · Global Voices Lingua
- ↑ Global Voices · Local perspectives for a global audience
- ↑ About the Lingua Translation Project · Global Voices Lingua
- ↑ Authors · Global Voices Advox
- ↑ https://advox.globalvoices.org/about/
- ↑ About · Rising Voices