Aller au contenu

Gliokôzy

Avy amin'i Wikipedia
Sary maneho ny firafitry ny môlekiolan' ny gliokôzy

Ny gliokôzy dia karazana siramamy, aseho amin' ny raikipohy simika C6H12O6. Ny teny hoe "gliokôzy" dia avy amin' ny teny grika fahiny τὸ γλεῦκος / to gleukos izay manondro ny divay mamy.

Tena miparitaka amin' ny tontolo voajanahary ny izômera D, antsoina koa hoe "dekstrôzy", fa ny izômera L dia tena tsy fahita firy. Roa amin' ny stereôizômera aldôheksôzy enina ambin' ny folo ny L-gliokôzy sy ny D-gliokôzy. Voaforon' ny zavamananaina maro avy amin' ny rano sy diôksidana karbônina misy angovon-kazavana amin' ny alalan' ny fôtôsentezy ny D-gliokôzy. Ny fahapotehan' ny D-gliokôzy kosa, izay mamoaka diôksidana karbônina sy rano mandritra ny fiosefoan' ny sela, dia loharanon' angovo lehibe ho an' ny selan' ny zavamananaina. Voatahiry ao amin' ny zavamaniry sy ny ahidrano amin' ny endrika hidrôetilamidôna (tavolo) ny D-gliokôzy, ary ao amin' ny biby amin' ny endrika glikôzenina, izay azo atao hidrôlizy amin' ny fotoana rehetra mba hamerenana ny môlekiola D-gliokôzy vonona hopotehina hanome angovo isaky ny mila izany ny sela. Mitana anjara toerana amin' ny endrika selilôzy ao amin' ny zavamaniry koa izy io. Mivezivezy manerana ny zavamananaina ao amin' ny ra ny D-gliokôzy, ary ny farihitry ny D-gliokôzy ao amin' ny plasman' ny ra no antsoina hoe glisemia (siramamy anaty ra).

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]