Hankany amin'ny vontoatiny

Gitara klasika

Avy amin'i Wikipedia
Gitara klasika

Ny gitara klasika, izay antsoina hoe gitara espaniôla koa indraindray, dia zavamaneno ao amin' ny fianakavian' ny gitara akostika. "Gitara akostika" no anarana mahafao-be ho an' ity zavamaneno misy tadiny kitihina ity, fa teny noforonina taorian' ny fiavian' ny gitara fôlka kosa, izay tsy mitovy amin' io fa nasiana tadiny metaly, ny hoe "gitara klasika".

Somary kely ny tanjaky ny feon' ny gitara klasika (matetika tsy misy fanamafisam-peo elektrika) nefa zavamaneno tendrena tokana, na dia ampiasain' ny mpamorona feon-kira klasika maro toa an' i Giuliani, i Mahler, i Rodrigo ary i Villa-Lobos anatin' ny ôrkesitra koa aza izy io.

Ny endriny dia vokatry ny fivoaran' ny gitara rômantika misy tadiny enina tsotra izay niseho tamin' ny faran' ny taonjato faha-18, nanaraka ny gitara barôka, izay, toy ny fianakavian' ny liota, dia nanana tadiny roa sosona. Ny gitara rômantika, izay manana feo malemy, dia nosoloina ny môdely manana vatany fanamafisam-peo lehibe kokoa novolavolain' ilay Espaniôla mpanamboatra girata Antonio de Torres manodidina ny taompolo 1870-1880.

Taorian' i Torres dia maro ny karazana gitara klasika espaniôla nipoitra tamin' ny taonjato faha-20 — nanomboka amin' ny gitara flamenka, avy eo ny gitara mpanaraka hira sy ny gitara fôlka, ny gitara jazy, ary farany ny gitara elektrika — izay, na dia tsy voafetra ho an' ny sehatra klasika aza, dia manolotra fanehoan-peo isan-karazany mety amin' ny karazana mozika maro. Miseho amin' ny endrika samihafa ny gitara ary anisan' ny zavamaneno miely patrana indrindra eran-tany miaraka amin' ny pianô.

Ahafahana manana gitara natao ho an' ny mpianatra ambaratonga voalohany amin' ny vidiny ambany dia ambany ny endrika fototra somary tsotran' ny gitara klasika (mety mihoa-pampana anefa ny vidin' ny famoronana ataon' ny mpanamboatra gitara tena malaza), ary izany indrindra no antony mahatonga ny fahombiazan' ity zavamaneno ity, izay malaza dia malaza.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]