Gisèle Rabesahala
Gisèle Rabesahala
| |||
Ankapobeny | |||
Anarana | Gisèle Rabesahala | ||
Teraka | 7 mey 1929 | ||
Toerana | Antananarivo | ||
Maty | 27 jiona 2011 | ||
Fiaviana sy ny andraikitra | |||
Firenena | Madagasikara | ||
Asa : | Mpanao politika | ||
Fiainana manokana | |||
Gisèle Rabesahala dia teraka ny 7 mey 1929 tao Antananarivo ary nodimandry ny 27 jiona 2011[1]. Gisou no solon'anarany. Vehivavy mpanao politika malagasy izy[1]. Niady ho an'ny fahaleovan-tenan'ny fireneny izy[1] satria zanatany frantsay i Madagasikara tamin'izany. Izy ihany koa no vehivavy voalohany voatendry ho ministra teto Madagasikara, tamin'ny taona 1977.
Mombamomba azy
[hanova | hanova ny fango]Teraka tany Madagasikara izy ny taona 1929[1]. Tany Frantsa, Tonizia ary Maly no nandaniany ny fahazazany (nanaraka ny rainy izy, miaramila tao amin'ny tafika frantsay ny rainy tamin'izany). Rehefa maty ny rainy , tamin'ny taona 1942, dia voatery nody tany an-tanindrazany izy ary niara-nipetraka tamin'ny fianakaviany.
Mbola kely izy dia efa nanonofy ny ho masera. Ary nony lehibe izy dia lasa " mpisolovava ho an'ny tsy manan-tsiny » ny nofiny. Izay no nandrisika azy hanohy ny fianarany na dia mbola vitsy aza ny vehivavy malagasy afaka nanohy fianarana. Rehefa nahazo ny mari-pahaizana momba ny sekoly ambaratonga fototra izy dia nisitraka fiofanana matihanina amin'ny fanoratana fohy. Ny taona 1946, teo amin'ny faha 17 taonany, dia niditra teo amin'ny sehatra politika izy ka sekretera teo amin'ny fanoratana fohy sy mpanao sora-baventy tao amin'ny hetsika demokratika ho an'ny fanavaozana malagasy (MDRM) no nataony tamin'izany. Niady ho an'ny fahaleovantenan'ny firenena izy ireo tamin'izany.