Hankany amin'ny vontoatiny

Gentianales

Avy amin'i Wikipedia
Gentianella aspera

Ny Gentianales dia filaharan-javamaniry mamony roa ravin-tsimoka. Amin' ny toetran' ny Gentianales, ny voalohany dia ny fisian' ny farobolan-dahimbony tokana, izay miditra ao amin' ny vondrom-pelambony, ka izany rehetra izany dia miteraka faribolana efatra ao amin' ny voniny iray manontolo. Ny vavimbony dia eo ambony fa kely ka lasa singam-bavimbony roa. Ny tahom-bavimbony dia tokana foana, fa ny fihary atodinaina, izay matetika mitambatra, dia malalaka ao amin' ny fianakaviana Asclepiadaceae sy Apocynaceae.

Fanasokajiana anatiny

[hanova | hanova ny fango]

Fanasokajiana klasika

[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny fanasokajiana klasikan' i Cronquist (1981), dia misy fianakaviana enina ny filaharana Gentianales:

Fanasokajiana APG

[hanova | hanova ny fango]

Ny Fanasokajiana filôjenetika APG (1998) sy ny Fanasokajiana filôjenetika APG II (2003) ary Fanasokajiana filôjenetika APG III (2009) dia nanova ny firafetan' ilay filaharana izay ahitana ireto fianakaviana 5 manaraka ireto

Raha ny marina dia ny Rubiaceae ihany no mpikambana vaovao.