Gaotra
Fiseho

Ny gaotra dia fiitarana na fitomboana hita matetika amin' ny fihary tirôida. Ity fitomboana ity dia mety ho ara-dalàna sy mandalo amin' ny toe-javatra manokana toy ny fahavnnto-jaza na ny fitondrana vohoka. Ny gaotra maharitra dia tena fahita manerana izao tontolo izao (efa ho ny 15,8 % amin' ny mponina eran-tany tamin' ny taona 2004 no voan' ny gaotra azo tsapain-tanana), mifandray amin' ny tsy fahampian' ny iôda ao amin' ny olona efa ho 2,2 lavitrisa.