Hankany amin'ny vontoatiny

Andrandra (vorona)

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Ganagana fotsifotsy)
Andrandra (Thalassornis leuconotus)

Ny andrandra dia voron-drano ao amin' ny fianakaviana Anatidae teratany ao Afrika atsimon' i Sahara sy eto Madagasikara. Thalassornis leuconotus ny anarany ara-tsiansa. Izy no hany mpikambana ao amin' ny vondron-karazana Thalassornis.

Toetoetrany

[hanova | hanova ny fango]

Miavaka amin' ny karazana ao amin' ny Anatidae hafa rehetra ny andrandra, fa mifandray akaiky indrindra amin' ny karazana ao amin' ny zana-pianakaviana Dendrocygninae, na dia mampiseho fitoviana ihany koa amin' ny karazana ao amin' ny zana-pianakaviana Oxyurinae.

Mirefy 38 ka hatramin' ny 40 sm izy io. Vorona mpisitrika lalina ao anaty rano izy io, ary mitovitovy amin' ny tsiriry na vivy ny bikany. Fohy ny tendany fa lehibe kosa ny lohany. Ny volony dia manja matroka manopy mavo, ny lohany dia manja mainty misy pentina fotsy eo akaikin' ny vavany.

Fiainany sy toerana ahitana azy

[hanova | hanova ny fango]

Hita matetika amin' ny faritra mando misy zavamaniry ny andrandra. Amin' ny ankapobeny dia miaina anaty vondrona kely ny andrandra; karazam-boron-drano izy io izay manana fahasarotana lehibe amin' ny fandehanana amin' ny tany. Tsy toy ny karazana rehetra ao amin' ny zana-pianakaviana Dendrocygninae izy io, fa mihinana eo am-panaovana ankisitrika. Ny fanamboarana akany hanatodizana dia azo atao amin' ny fotoana rehetra amin' ny taona, ary ny akany dia apetrany eo akaikin' ny rano.

Zana-karazana

[hanova | hanova ny fango]

Araka ny fanasokajiana nataon' ny International Ornithological Congress (versiôna 15.1, 2025), ny andrandra dia miseho amin' ny alan' ny zana-karazana roa:

  • Thalassornis leuconotus leuconotus Eyton, 1838 — hatrany amin' ny tapany atsinanan' i Kamerona ka hatrany amin' ny atsimon' i Etiôpia sy hatrany Afrika Atsimo;
  • Thalassornis leuconotus insularis Richmond, 1897Madagasikara.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]