Aller au contenu

Viôla da gamba

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Gamba)
Viôla da gamba

Ny viôla da gamba dia zavamaneno misy tadiny, toy ny lokanga, misy tahony voazarazaran' ny tsivalam-by toy ny an' ny gitara, ampanenoina amin' ny fikasoka (fitaovana miendrika tsipìka). Ny fianakavian' ny viôla da gamba, izay nanjaka tamin' ny mozika eorôpeana nanomboka tamin' ny taonjato faha-15, dia tsy mitovy amin' ny fianakavian' ny viôlinina indrindra amin' ny isan' ny tadiny (enina fa tsy efatra, sady vita amin' ny tsinaim-biby), ny fisian' ny frety (toy ny an' ny gitara), ny fihazonana ilay zavamaneno eo ambonin' ny lohalika na eo anelanelan' ny lohalika roa (izany no niavian' ny teny italiana hoe "viola da gamba", hazonin-tongotra, izay mifanohitra amin' ny "viola da braccio", izany hoe hazonin-tanana).

Mifanohitra amin' ny fiheveran' ny besinimaro, ny fianakavian' ny viôla da gamba dia tsy razamben' ny fianakaviana viôlinina. Saika niara-niseho izy ireo ary niara-nisy hatramin' ny vanim-potoana barôka, saingy nanjary hadino ny viôla da gamba tamin' ny faran' ny taonjato faha-18 sy mandra-pahatongan' ny fifohazan' ny mozikan-javamaneno barôka nandritra ny taonjato faha-20.

Toy ny zavamanenon' ny Renaissance rehetra, ny viôla da gamba dia nisy amin' ny habe samihafa, mifanaraka amin' ny feon' olombelona samy hafa: trebla, altô, tenôra, beso, beso lehibe ary kôtrabeso, izay nampiana viôla kely kokoa, ny "pardessus de viole", tany Frantsa tamin' ny taonjato faha-18 mba hahafahan' ny andriana mitendry ny mozikan' ny viôlinina.