Galliformes

Ny Galliformes dia filaharam-borona an-tanety mavesa-batana izay misy karazany 290 eo ho eo. Mizara ho fianakaviana dimy ity filaharana ity, dia ny Phasianidae (ahitana ny akoho, ny tsipoy, ny vorontsiloza, ary ny vorombola), ny Odontophoridae, ny Numididae (akanga), ny Cracidae ary ny Megapodiidae.
Nampifanaraka ny fomba fiainany amin' ny ankamaroan' ny tontolo iainana ny Galliformes, afa-tsy amin' ny tany efitra any anatiny indrindra sy amin' ny faritra misy ranomandry maharitra, ary miaina any amin' ny kôntinanta rehetra afa-tsy any Antarktika. Manan-danja eo amin' ny tontolo iainany amin' ny maha mpanaparitaka voa sy mpihinana bibikely sy kankana azy izy ireo, ary maro no afaka monina an-tanety noho izy ireo mahay mandositra ny biby mpiremby amin' ny fihazakazahana fa tsy amin' ny fanidinana. Tsy mitovy ny lahy sy ny vavy eo amin' izy ireo: ao amin' ny ankamaroan' ny karazany dia miloko marevaka kokoa noho ny vavy ny lahy, ary be pitsiny ny fihetsiky ny lahy manoloana ny vavy. Tsy vorona mpifindra monina izy ireo amin' ny ankapobeny.
Avy amin' ny anaran' ny vondron-karazana Gallus, teny latina midika hoe "akoholahy", ny anarana hoe "galliformes". Maro amin' ny karazana ao amin' io filaharana io, indrindra fa ny akohodia (Gallus gallus) izay nokolokoloin' ny olombelona ka nahazoana ny akoho fiompy, no nompian' ny olombelona hahazoana hena sy ny atody, ary ny karazana miaina any anaty natiora (voron-dia) dia atao fihaza.
Lisitry ny fianakaviana sy ny vondron-karazana
[hanova | hanova ny fango]Araka ny fanasokajian' ny International Ornithological Congress (versiona 15.1, 2025), ny filaharana Galliformes dia manana karazana miisa 307 (anisan' izany ny 2 izay efa lany tamingana) mitsinjara amin' ny vondron-karazana 86 (anisan' izany ny 1 efa lany tamingana) sy amin' ny fianakaviana 5:
- Megapodiidae Lesson, RP, 1831 (vondron-karazana 7 sy karazana 21): Talegalla (karazana 3), Leipoa (karazana 1), Alectura (karazana 1), Aepypodius (karazana 2), Macrocephalon (karazana 1), Eulipoa (karazana 1), Megapodius (karazana 12);
- Cracidae Rafinesque, 1815 (vondron-karazana 11 sy karazana 57): Ortalis (karazana 16), Penelope (karazana 16), Pipile (karazana 5), Aburria (karazana 1), Chamaepetes (karazana 2), Penelopina (karazana 1), Oreophasis (karazana 1), Nothocrax (karazana 1), Mitu (karazana 4), Pauxi (karazana 3), Crax (karazana 7);
- Numididae de Sélys-Longchamps, 1842: (vondron-karazana 4 sy karazany 8): Agelastes (karazana 2), Numida (karazana 1), Guttera (karazana 4), Acryllium (karazana 1);
- Odontophoridae Gould, 1844 (vondron-karazana 10 sy karazana 34): Ptilopachus (karazana 2), Dendrortyx (karazana 3), Oreortyx (karazana 1), Callipepla (karazana 4), Philortyx (karazana 1), Colinus (karazana 4), Odontophorus (karazana 15), Dactylortyx (karazana 1), Cyrtonyx (karazana 2), Rhynchortyx (karazana 1);
- Phasianidae Horsfield, 1821 (vondron-karazana 54 (1 lany tamingana) sy karazana 187 (2 lany tamingana)): anisany ny Afropavo (1 karazana), Coturnix (6 karazana ka ny 1 lany tamingana), Gallus (4 karazana), Meleagris (2 karazana), Pavo (2 karazana), Phasianus (2 karazana).
Fianakaviana fôsily voafariparitra:
- Sylviornithidae Mourer-Chauviré & Balouet, 2005;
- Quercymegapodiidae Mourer-Chauviré, 1992;
- Paraortygidae Mourer-Chauviré, 1992;
- Gallinuloididae Lucas, 1900;
- Amitabha urbsinterdictensis Gulas-Wroblewski & Wroblewski, 2002.