François II (Frantsa)

François II (teraka tao Fontainebleau tamin'ny 19 Janoary 1544, ary maty tao Orléans tamin'ny 5 Desambra 1560), ary Mpanjakan'i Frantsa nanomboka ny 10 Jolay 1559 ka hatramin'ny nahafatesany.
Zanaka lahimatoan'i Henry II sy Catherine de Medicis izy, niakatra teo amin'ny seza fiandrianana frantsay teo amin'ny faha-dimy ambin'ny folo taonany taorian'ny nahafatesan-drainy tsy nahy tamin'ny 10 Jolay 1559. Naharitra herintaona sy dimy volana monja ny fanjakany fohy saingy fiandohana lehibe ho an'ny fipoahan'ny Adin'ny Fivavahana.
Marina tokoa fa niavaka tamin'ny krizy ara-politika sy ara-pivavahana lehibe ny fanjakany. Rehefa niakatra teo amin'ny fitondrana izy, dia nanankina ny fitantanana ny fianakaviana Guise, dadatoan'ny vadiny, Mary Stuart, Mpanjakavavin' Ekosy, izay nanohana ny politika famoretana ny Protestanta.
Ny fanjakany koa dia voamariky ny fandaozana an'i
Ekosy,
Frantsa any Antarktika (faritany any Brezila), ary vokatry ny Fifanarahana Cateau-Cambrésis nosoniavin-drainy Henry II, Corse, Toscana, Savoie, ary saika an'i Piedmont manontolo. Izany dia nanamarika, ho fanohanana an'i Espaina, ny fiandohan'ny fihenan'ny fitaoman'ny Frantsay tany Eoropa.
Mpanjakan'i Frantsa
[hanova | hanova ny fango]| nodimbiasany | mpandimby | |
|---|---|---|
| Henry 1547-1459 | François II 1459-1560 | Louis XIII (Frantsa) |