François Callet
Fiseho
I François Callet, misiônera zezoita (katôlika) teto Madagasikara nanomboka tamin' ny taona 1864 ka hatramin' ny taona 1885, no tonian-dahatsoratry ny lovantsofina momba ny mpanjaka merina. Loharanom-pahalalana tena ilaina ho an' ny tantaran' Imerina ny sanganasany hoe Tantara ny Andriana (navoaka tamin' ny teny frantsay taty aoriana hoe Histoire des rois), sady mila famakiana amim-pahamalinana mba hanavahana ny tantara amin' ny fanamarinana ny fifandovam-pitondrana teo amin' ny mpanjaka merina.