Aller au contenu

Foudia

Avy amin'i Wikipedia
Fodilahy mena (Foudia madagascariensis)

Ny Foudia dia vondron-karazana na sokajy mampivondrona karazana voron-kely fito mbola velona sy iray efa lany tamingana, ao amin' ny fianakaviana Ploceidae.

Fanoritsoritana

[hanova | hanova ny fango]
Foudia eminentissima
Foudia aldabrana

Mirefy 12 ka hatramin' ny 15 sm ny halavan' ny vorona ao amin' ny vondron-karazana Foudia ary misy vavany fohy sy miendrika kitsoloha. Ny volon' ny lahy amin' ny fotoana fananahana dia matetika miloko mena na mavo eo amin' ny lohany ary indraindray any amin'ny faritra hafa. Ny lahy sy ny vavy amin' ny fotonana tsy fananahana dia manana volo matroka izay manana volo miloko volondavenona manopy manja ny ankamaroany.

Foudia omissa

Amin' ny ankapobeny dia hita any anaty ala na kirihitra ny foudia, nefa misy ihany koa ny any amin' ny toeram-ponenana nataon' olombelona, ​​indrindra fa ny fodimena. Ny karazana sasany dia mivelona indrindra amin' ny vihim-boa, fa ny hafa kosa mihinana indrindra bibikely. Ny foudia dia manamboatra akany miendrika bonga amin' ny ahitra sy akora hafa. Izy io dia misy loaka fidirana sy fivoahana amin' ny ilany iray ary mihantona amin' ny sampana na ravin-drofia.

Foudia rubra

Ity vondron-karazana na sokajy ity dia nampidirin' ilay alemàna mpahay zavaboary Ludwig Reichenbach tamin' ny taona 1850. Io karazana filamatra dia nantsoina hoe fody mena.

Lisitry ny karazana

[hanova | hanova ny fango]
Foudia flavicans

Inty ny lisitry ny karazana araka ny fanasokajiana nataon' ny International Ornithological Congress (versiôna 2.9, 2011):

  1. Foudia madagascariensis – Fodimena
  2. Foudia eminentissima – Fody kômôriana
  3. Foudia aldabrana
  4. Foudia omissa – Fodiala
  5. Foudia rubra – Fody maorisiana
  6. Foudia sechellarum – Fodin' i Seisely
  7. Foudia flavicans – Fodin' i Rodrigues

Ny Foudia delloni, Fodin' i La Réunion, dia efa lany tamingana ankehitriny, ary io anarany io dia mety manondro karazana mitovy amin' ny hoe Foudia bruante.