Hankany amin'ny vontoatiny

Fortunella

Avy amin'i Wikipedia
Fortunella sp.

Ny Fortunella dia vondron-karazan-javamaniry mamony roa ravin-tsimoka ao amin' ny fianakaviana Rutaceae, ahitana karazana voasary vitsivitsy. Mbola iadian-kevitra ny tena tokony ho fomba fanasokajiana ireo zavamaniry ireo. Izy ireo dia teratany any Atsinanana Indrindra. Malaza ho misy kalôria sy antiôksida ny voan' izy ireo.

Ireo no hany voasary izay azo hanina ny hodiny mamy sy manitra, fa ny nofon kosa dia makirana. Hazobotry izy ireo: manana haavo mihoatra ny 4 ka hatramin' ny 5 m, ka mahatonga azy ireo ho mety amin' ny fambolena ao anaty tavy.

Fanasokajiana

[hanova | hanova ny fango]

Ara-tantara, ny vondron-karazana Fortunella dia nosarahan' i Walter Swingle amin' ny vondron-karazana Citrus tamin' ny taona 1915 noho ny fahasamihafan' endrika. Na izany aza, ny fanasokajiana filôjenetika dia mazàna mamerina azy ao amin' ny vondron-karazana Citrus, amin' ny heviny mivelatra.

Fortunella margarita

Indreto ny karazana ao amin' ny Fortunella:

  • Fortunella hindsii (Champ. ex Benth.) Swingle na Citrus hindsii -- Sina
  • Fortunella crassifolia Swingle na Citrus crassifolia -- Sina sy Japàna
  • Fortunella margarita (Lour.) Swingle na Citrus margarita -- Sina sy Japàna
  • Fortunella japonica (Thunb.) Swingle na Citrus japonica -- Sina sy Japàna
  • Fortunella obovata hort. ex Tanaka na Citrus obovata -- Sina sy Japàna
  • Fortunella polyandra na Citrus swinglei Burkill ex Harms

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]