Foitra (bôtanika)
Fiseho

Amin' ny bôtanika, ny foitra dia holatra na marika tavela eo amin' ny fonom-bihy vokatry ny fipetahany teo aloha amin' ny rindrin' ny fihary atodinaina na amin' ny tangozam-bihy (izay niraikitra amin' ny rindrin' ny fihary atodinaina). Matetika izy io no antsoina hoe "maso" amin' ny karazana voamaina sasany.