Hankany amin'ny vontoatiny

Flavien Ranaivo

Avy amin'i Wikipedia

I Flavien Ranaivo dia pôeta sy mpanao gazety malagasy, teraka tamin' ny 13 Mey 1914 tao Arivonimamo ary maty tamin' ny 20 Desambra 1999 tao Troyes (Frantsa).

Avy amin' ny fianakaviana andriana i Ranaivo, ary nifandray tamin' ny zavaboary izy nandritra ny ampahany be amin' ny androm-piainany. Ankoatry ny maha pôeta azy dia nitana toerana lehibe teo amin' ny maha olom-pirenena azy sy tao amin' ny governemanta.

Fanoratana

[hanova | hanova ny fango]

Fantatr' i Léopold Sédar Senghor i Ranaivo. Niala tamin' ny fitaoman' ny fanaovana tononkalo frantsay izy ka nampifanaraka (na nandika mihitsy aza) ny tononkalo malagasy hain-teny. Voataonan' ny hira sy ny tononkalo malagasy, indrindra ny hain-teny ny sangan' asany. Indraindray mitovy amin' ny ankamantatra ny tononkalony fohy, manambatra vazivazy sy fahendrena, ohabolana sy tandindona.

Sangan' asany

[hanova | hanova ny fango]
  • L'ombre et le vent (1947)
  • Mes chansons de toujours (1955)
  • Le retour au bercail (1962)
  • Littérature magache (1956)
  • Images de Madagascar (1968)

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]