Fivarotan-tena

Ny fivarotan-tena dia endri-pifanakalozana ara-toekarena sy ara-nofo: tolotra fanompoana ara-nofo hahazoana karama. Amin' ny ankapobeny dia mahafaoka sehatra ara-piarahamonina tsy samihafa izay matetika ahitana olona avy amin' ny fianakaviana ambany fari-piainana, indraindray an-jorom-bala, izay manao an' ity asa ity ho fitaovana hiatrehana ny fiainana sy hivelomana.
Vehivavy ny 80 % amin' ny mpivaro-tena satria misy koa ny fivarotan-tenan' ny lehilahy. Ny fanadihadiana momba ny fivarotan-tena dia mampiseho fa lehilahy ny ankamaroan' ny mpanjifan' ny fivarotan-tena. Any Frantsa, araka ny tarehimarika avy amin' ny tolo-dalàna tamin' ny taona 2013 izay mikendry ny hanasazy ny mpanjifa fivarotan-tena, dia ny 99 % amin' ny mpanjifa dia lehilahy ary ny 85 % amin' ny mpivaro-tena dia vehivavy. Tamin' ny taona 2012, dia olona 40 ka hatramin' ny 42 tapitrisa no mpivaro-tena eran-tany, ny sivy amin' ny folo amin' izy ireo dia miankina amin' ny mpanelanelana mila tombony ary ny telo ampahefany dia eo anelanelan' ny 13 sy 25 taona. Ny sata ara-dalàna momba ny fivarotan-tena dia miovaova arakaraka ny firenena ary azo sokajiana avy amin' ny fiheverana azy io ho tsy ara-dalàna ka mankany amin' ny fiheverana azy hoo asa ara-dalàna matihanina. Tamin' ny taona 2010 dia tombanana ho 187 lavitrisa dôlara mahery ny vola miditra isan-taona avy amin' ny fivarotan-tena. Vehivavy iray ka hatramin' ny roa tapitrisa maneran-tany no amidy isan-taona amin' ny fivarotan-tena amin' ny alalan' ny tambajotra iraisam-pirenena, ny ankamaroany dia avy amin' ny firenena mahantra mba hotrandrahina, indrindra any amin' ny firenena manankarena.
Amin' ny fomba fijery araka ny lalàna dia azo atao ny manavaka fiheverana telo momba ny fivarotan-tena, izay miteraka pôlitikam-panjakana eo amin' ny fampiharana azy: ny fampanaraham-pitsipika sy ny fanafoanana ary ny fandrarana. Na manameloka na mametraka fitantanana ny fivarotan-tena izy ireo, na manao ny mpivaro-tena ho meloka na ho olona iharan' ny herisetra, ireo fiheverana ireo dia mifamatotra amin' ny fanamby sy ny fiantraikany raha ny heverina ho olana ho an' ny daholobe ny fivarotan-tena.
Matetika ny fivarotan-tena no fototry ny ady hevitra mafana eo amin' ny mpanao pôlitika sy ny manam-pahaizana izay mankasitraka ny fanaovana izany ho ara-dalàna sy ireo izay mankasitraka ny fandrarana azy. Ny fifandirana toy izany dia miseho indrindra ao anatin' ny hetsika manandratra ny vehivavy.