Aller au contenu

Fitomboan' ny toekarena

Avy amin'i Wikipedia

Ny fitomboan' ny toekarena dia ny fiovana miabo eo amin' ny famokarana entana sy serivisy ao amin' ny toekarena iray mandritra ny fe-potoana iray, matetika maharitra. Amin' ny fampiharana, ny fanondroana ampiasaina indrindra handrefesana izany dia ny harin-karena faobe. Refesina “amin' ny hadiry" na "amin' ny vidy tsy miova" ny fitomboan' ny toekarena mba hanitsiana ny vokatry ny fisondrotry ny vidim-piainana. Ny taham-pitomboana dia ny taham-piovan' ny harin-karena faobe. Matetika no ampiasaina ny fitomboan' ny harin-karena faobe isan' olona ho fanondroana ny fitomboan' ny harenan' ny olona tsirairay, izay ampitovina amin' ny fari-piainana (izay tsy mitovy amin' ny kalitaon' ny fiainana).