Hankany amin'ny vontoatiny

Fiteny pôhatàna

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny pôhatàna na fiteny algônkianan' i Virginia dia fiteny algônkiana atsinanana ampiasaina avy any atsimon' ny helodranon' i Pamlico Sound ka hatrany amin' ny helodranon' i Chesapeake (amin' ny misy an' i North Carolina sy i Virginia ankehitriny). Ny Pôhatàna ao amin' ny morontsirak' i Virginia no nampiasa izany taloha. Taorian' ny fikarohana nataon' i Frank Thomas Siebert, Jr. tamin' ny taona 1970, dia nisy ampahany tamin' ity fiteny ity izay azo naverina noho ny fisiann' ny fiteny algônkiana hafa voarakitra an-tsoratra tsara kokoa, ary nisy ny ezaka hamelona azy io. Ny hoe Powhatan (ara-bakiteny hoe "ireo riandrano") dia anaran' ny tanànan' i Wahunsunacock izay lehibe amerindianina, izay tsy maintsy nifampiraharaha tamin' ny voanjo anglisy voalohany, notendren' i Walter Raleigh. Ny tanànan' i Richmond no naorina teo amin' ny toerana misy an' io tanàna io.