Fiteny makoa

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny fiteny makoa dia fiteny banto izay tetenin'ny olona ao Mozambika sy ao Tanzania ary ao amin'ny Repoblikan'i Kongo (ao amin'ny distrikan'i Makoa ao amin'ny Faritry ny Lembalemba sy ny manodidina azy). Olona mihoatra ny 4 000 000 no miteny makoa. Telo ny sampana lehiben'io fiteny io, dia ireto:

  • ny fiteny sirima (izay tenenin'ny olona 620 000 eo ho eo ao Mozambika ao amin'ny faritanin'i Niassa);
  • ny fiteny koty (izay tenenin'ny olona 78 000 eo ho eo ao Mozambika indrindra manodidina an'i Angoche ao amin'ny faritanin'i Nampula);
  • ny fiteny lomoe (izay tenenin'ny olona 1 500 000 eo ho eo ao Mozambika ao amin'ny faritanin'i Zambezia sy ny tapany atsimon'ny faritanin'i Nampula).

Marihina fa ny tanànan'i Makoa dia tsy ao Mozambika fa ao amin'ny Repoblikan'i Kongo, any amin'ny 600 km miala an'i Brazzaville.