Fiteny hebreon' ny Misnà

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Fiteny hebreon'ny Misnà)

Ny fiteny hebreon' ny Misnà na fiteny hebreo misnaika na fiteny hebreo misnika dia endriky ny fiteny hebreo mifanandrify amin' ny fotoana feran' ny taonjato volohany sy faha-5 taor. J.K. izay mifanandrify koa amin' ny fotoan' ny Talmoda (taonjato faha-2 hatramin’ ny faha-5). Atao hoe "hebreo rabinika" na "fitenin' ny Olon-kendry" koa ity fiteny ity. Fiteny nampiasaina tamin' ny fiainana andavanandro sy tao amin' ny literatiora jiosy izy io, araka ny hita amin' ny tahirin-tsoratra hitan' ny arkeôlôga tao Israely.

I Abraham Geiger no nanomboka nanao fanadihadiana ara-kaifiteny tamin' ireo tahirin-tsoratra ireo tamin' ny taona 1845. Ny fiteny hebreo misnika dia ahitana zava-baovao raha mitaha amin' ny fiteny hebreon' ny Baiboly izay taloha lavitra noho izy. Momba ny fandrafetana fehezanteny sy ny voambolana izany ka hita ireo teny nindramina tamin' ny fiteny nanjaka ara-pôlitika na ara-kolontsaina tamin' izany fotoana izany, dia ny fiteny arameana sy grika ary persàna.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]