Fiteny hebreon' ny Andro Antenatenany

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Fiteny hebreon'ny Andro Antenantenany)

Ny fiteny hebreon' ny Andro Antenatenany dia endriky ny fiteny hebreo teo anelanelan' ny taonjato faha-10 sy ny taonjato faha-20. Nanomboka tamin' ny taonjato faha-10 dia tany ivelan' i Palestina (faritra) any am-pielezana no nitohizan' ny fampiasana ny fiteny hebreo ka hatramin' ny nahaterahan' io fiteny io indray tao Israely tamin' ny taonjato faha-20.

Amin' ny fiainana andavanandro dia niteny ny fitenin' ny firenena nonenany avy ny Jiosy, ka tsy nampiasa ny fiteny hebreo afa-tsy tamin' ny sehatry ny fivavahana. Tamin' izany fiteny hebreo izany no nanatanterahan' ny Jiosy am-pielezana ny fivavahany sy amakiany ny Torah ary andinihany ny heviteny isan-karazany amin' io boky masina io. Tamin' ny fiteny hebreo koa no nifandraisan' ny Olon-kendry jiosy maro tamin' ny firenena samihafa. Hita araka ny zava-bokarina ara-pivavahana sy ara-kolontsaina ary amin' ny tontolon' ny asa ireo ny fivoaran' ny fiteny hebreo nandritra ny fotoana lava.  

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]