Fiteny etiosemitika

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny fiteny etiosemitika na fiteny afrosemitika na fiteny etiopika dia fianakaviam-piteny tenenina indrindra ao Etiopia sy ao Eritrea. Izy ireo sy ny ireo fiteny arabo atsimo taloha sy ankehitriny no mamorona ny sampana atsimon'ny fianakaviam-piteny semitika. Ny tena lehibe indrindra amin'izy ireo dia ny fiteny gezy (izay tsy misy mpiteny intsony fa voatahiry ho fiteny litorjika), ny fiteny tigrinia (fiteny ofisialin'i Eritrea), ny fiteny amharika (fitenin'ny fitanantanan-draharaham-panjakana ao Etiopia), ny fiteny tigrea ary ireo fiteny goragea. Soratana amin'ny abidim-baninteny gezy ireo fiteny ireo.

Mizara sampana roa ny fiteny etiopika, dia sampana avaratra sy ny sampana atsimo. Ny fiteny ao aminn'y sampana avaratra dia ahitana ny fiteny gezy, ny fiteny tigrinia, ny fiteny tirgrea ary ny fiteny dahalika. Ny fiteny ao aminn'y sampana atsimo dia ahitana ny fiteny amharika, ny fiteny argobba, ny fiteny harary, gorage atsinanana (izay mizara ho fiteny silt'e sy fiteny zoay), ny fiteny gafata (fiteny maty), ny fitey goragea avaratra (izay mizara ho fiteny sôdô sy fiteny gôgôta), ny fiteny inora, ny fiteny mesmesa (fiteny maty), meskana, ny fiteny sebata bety goragea.