Fiteny egiptiana demôtika

Avy amin'i Wikipedia
Soratra demôtika egiptiana

Ny fiteny egiptiana demôtika dia endriky ny fiteny tany Egipta tamin'ny Andro Taloha izay nosoratana tsy tamin'ny sora-masina (hieroglifa), fa tamin'ny endrika notsorina amin'io soratra io. Tamin'ny taonjato faha-7 tal. J.K. hatramin'ny taonjato faha-5 tal. J.K. no nitenenanana io fiteny io. Izy io koa no niavian'ny fiteny kôpta.

Ilazana ny tarehin-tsoratra nanoratana izany fiteny izany koa ny hoe demôtika ("soratra demôtika"). Ny hoe demôtika dia avy amin'ny teny grika hoe δημοτικά / dêmotiká izay midika hoe "an'ny vahoaka". Ny fiteny egiptiana demôtika dia ao amin'ny sampam-piteny egiptiana taloha, izay ao amin'ny fianakaviam-piteny hamito-semitika.