Hankany amin'ny vontoatiny

Fiteny arabo manara-penitra vaovao

Avy amin'i Wikipedia
Sarin-tany maneho ny firenena manao ny fiteny arabo manara-penitra vaovao ho fiteny ôfisialy: maitso antitra: fiteny ôfisialy tokana, miteny arabo ny maro anisa; maitso tanora: fiteny ôfisialy tokana, vitsy anisa ny miteny arabo; manga: fiteny ôfisialy miaraka amin' ny fiteny hafa, miteny arabo ny maro anisa; manga tanora: fiteny ôfisialy miaraka amin' ny fiteny hafa, vitsy anisa ny miteny arabo.

Ny fiteny arabo manara-penitra vaovao dia ny karazana fiteny arabo nampanarahim-penitra, fiteny arabon' ny literatiora izay nivoatra tany amin' ny Tontolo Arabo tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-19 sy fiandohan' ny taonjato faha-20, ary amin' ny fampiasana sasany koa ny karazana fiteny arabo tenenina izay mifanandrify amin' io endrika soratana io. Ny fiteny arabo manara-penitra vaovao no fiteny ampiasaina amin' ny literatiora, ao amin' ny akademia, amin' ny fanaovana printy, amin' ny fampahalalam-baovao, amin' ny fanaovan-didy aman-dalàna, na dia tsy ampiasaina ho fiteny tetenina voalohany aza izy, mitovy amin' ny "fiteny latina vaovao". Fiteny manara-penitra ampianarina manerana ny Tontolo Arabo amin' ny fampianarana ara-dalàna ny fiteny arabo manara-penitra vaovao, tsy mitovy amin' ny karazany maro amin' ny fiteny arabo izay ampiasaina matetika ho fitenin-dreny ao amin' ny faritra; ireo fiteny ireo dia ifankahazoana ampahany ihany amin' ny fiteny arabo manara-penitra vaovao sy amin' izy samy izy arakaraka ny fifanakaikezany ao amin' ny fitohizam-pitenim-paritra arabo.

Mpahay teny maro no mihevitra fa ny fiteny arabo manara-penitra vaovao dia miavaka amin' ny fiteny arabo klasika (arabo: اللغة العربية الفصحى التراثية / al-Lughah al-ʻArabīyah al-Fuṣḥā at-Turāthīyah) – fiteny voasoratra talohan' ny tapaky ny taonjato faha-19 – na dia tsy misy tena fotoana ifanarahana aza nahatonga ny fiteny arabo klasika hiova ho fiteny arabo manara-penitra vaovao. Tsy misy ihany koa ny fepetra momba ny fiteny izay ifanarahana mba hanavahana ny fiteny arabo klasika amin' ny fiteny arabo manara-penitra vaovao, saingy ity fiteny ity dia tena miavaka amin' ny famorona voanteny vavao avy amin' ny fototeny arabo klasika (toy ny hoe سيارة / sayyārah "fiara" na باخرة / bākhirah "sambo mandeha etona") na mampifanaraka ny voanteny avy amin' ny fiteny vahiny (toy ny hoe ورشة / warshah "atrikasa" na ny hoe إنترنت / ʾintarnet "Internet").

Ny mpiteny arabo teratany amin' ny ankapobeny dia tsy manavaka ny "fiteny arabo manara-penitra vaovao" sy ny "fiteny arabo klasika" ho fiteny samy hafa; samy antsoina hoe العربية الفصحى / al-ʻArabīyah al-Fuṣḥā, izay midika hoe "ny fiteny arabo mahay mandaha-teny", izy ireo. Heverin' izy ireo ho endrika ara-tantara roa amin' ny fiteny iray ireo endrika roa ireo. Rehefa atao ny fanavahana dia antsoina hoe فصحى العصر / Fuṣḥā al-ʻAṣr sy فصحى التراث / Fuṣḥā at-Turāth ireo endrika roa ireo.

Miisa 27 ny firenena mampiasa ity fiteny ity ho fiteny ôfisialy: Alzeria, Arabia Saodita, Bareina, Ejipta, Emirata Arabo Mitambatra, Iemena, Iràka, Jiboty, Jôrdania, Katara, Kôety, Kômôro, Libàna, Libia, Maly, Maoritania, Marôka, Ômàna, Palestina, Sahara Andrefana, Siria, Sodàna, Sômalia, Sômalilandy, Tonizia, Tsady, ary Zanzibar (Tanzania). Nisa 270 tapitrisa olona ny manao azy ho fiteny faharoa tamin' ny taona 2022 ary tsy misy ny olona manao azy ho fitenin-dreny. Ampiasaina ao amin' ny fikambanana iraisam-pirenena efatra izy: ny Fikambanam-Piaraha-Miasa Islamika, ny Firenena Mikambana, ny Ligy Arabo ary ny Vondrona Afrikana. Misy mampisa azy koa ny ao Israely.