Hankany amin'ny vontoatiny

Fiteny arabo ejiptiana

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny arabo ejiptiana dia fitenim-paritra arabo ampiasaina ao Ejipta. Io no karazany be mpampiasa indrindra amin' ny fitenim-paritra arabo: mpiteny maherin' ny 78 tapitrisa any Ejipta sy any amin' ny firenena ahitana vondrom-piarahamonina ejiptiana. Amin' ny teny arabo izy dia atao hoe اللهجة المصرية العامية, / elˈloɣæ l.mɑsˤˈɾejjɑ l.ʕæmˈmejjæ io fiteny io. Fanampin' izay, noho ny fipariahan' ny kolontsain' i Ejipta ao amin' ny Tontolo Arabo, indrindra amin' ny alalan' ny sinema sy ny mozika, dia matetika azon' ny olona mpampiasa fiteny arabo hafa ny fiteny arabo ejiptiana. Iray amin' ny fitenim-paritra arabo dimy ampianarina be indrindra eran-tany izy, miaraka amin' ny fiteny arabo toniziana, fiteny arabo alzeriana, ny fiteny arabo marôkana, ary ny fiteny arabo sirô-libanô-palestiniana.

Anisan' ny fianakaviam-mpiteny afrô-aziatika izy io, ary niainga tao amin' ny Vinanin' i Nily any Ejipta Ambany. Ny Ejiptiana tombanana ho 111 tapitrisa dia mampiasa tohm-pitenim-paritra isan-karazany, ka ny fitenim-paritra ao Kahira no misongadina indrindra. Ireo anton-javatra ireo dia ilazana azy ho be mpampiasa indrindra ary hatramin' izao ny karazana fiteny arabo be mpianatra indrindra.

Na dia fiteny ampiasaina indrindra amin' ny fitenenana aza izy io fa tsy amin' ny fanoratana, ny endrika an-tsoratra dia ampiasaina amin' ny tantara am-boky foronina sy ny tantara an-tsehatra ary ny tononkalo, ary koa amin' ny tantara an-tsary, ny dokam-barotra, ny gazety sasany ary ny fandikana ny hira malaza. Amin' ny ankamaroan' ny fampahalalam-baovao an-tsoratra hafa sy amin' ny fampitam-baovao amin' ny radio sy fahitalavitra, ny fiteny arabo literera no ampiasaina. Ny fiteny arabo literera dia fiteny nampanarahim-penitra mifototra amin' ny fiteny arabon' ny Kor'any, izany hoe ny fiteny arabo klasika. Ny fiteny arabo ejiptiana amin' ny ankapobeny dia soratana amin' ny abidy arabo ho an' ny fanjifana eo an-toerana, na dia adika matetika amin' ny litera latina na amin' ny abidy ara-drafipeo iraisam-pirenena ao amin' ny lahatsoratra momba ny haiteny sy ny boky fianarana ho an' ny mpianatra tsy teratany. Mandray singa avy amin' ny fiteny kôpta ny fanononana, ny fandrafetan-teny, fandrafetam-pehezanteny ary ny voambolana arabo ejiptiana; misy fiandrakany aminy koa amin' ny lafiny voambolana ny fiteny tiorka sy ny fiteny eorôpeana toy ny fiteny frantsay, ny fiteny italiana, ny fiteny grika, ary ny fiteny anglisy.

Jerreo koa

[hanova | hanova ny fango]