Fiteny ao Etazonia

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny ao Etazonia dia ahitana indrindra ny fiteny anglisy, nefa tsy mbola nisy fiteny ôfisialy noraisina tany amin' ny ambaratonga federaly, na dia ny fiteny anglisy aza no fiteny ampiasain' ny governemanta. Na izany aza, ny fiteny anglisy no fiteny ôfisialy any amin' ny fanjakana 32 amin' ny 50. Fanampin' izany, ny fanjakan' i Hawaii dia nisafidy fiteny ôfisialy faharoa (dia ny fiteny haoaiana), i Alaska sy i Dakota Atsimo dia nanaiky ny fitenin-drazan' ny Amerindiana eo an-toerana ary faritany amerikana maromaro no nandray fiteny ôfisialy faharoa (fiteny espaniôla any Pôrtô Rikô, ny fiteny samôrô any Guam, ny fiteny samôana any Samoa Amerikana).

Ny paroasy (fivondronana) sasany any Louisiana dia mampiasa ny fiteny frantsay, ary misy tanàna sy distrika any Etazonia miteny espaniôla; na izany aza, tsy nisy tamin' ireo fanjakana dimampolo ireo ny nandray ny fiteny frantsay na espaniôla ho fiteny ôfisialy faharoa.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]