Fitehirizana Vola Ifampisamborana
Ny Fitehirizana Vola Ifampisamborana na FIVOY, izay fantatra koa amin' ny hoe Mutuelle du Mandrare, dia orinasa mpampiasa vola ifanampiana, fitahirizana sy fampisamboram-bola voalohany eny ifotony, iarahan' ny mpikambana mitantana, niasa natomboka tamin' ny volana Mey 2004 teo amin' ny faritr' i Mandrare Ambony (Tsivory, faritra Anosy) sy any Androy, sady misy fampiofanana sy fampandrosoana ara-tsôsialy sy ara-toekarena, hanamafisana ny fahaleovantenan' ny mponina ambanivohitra any atsimon' i Madagasikara, ao anatin' ny tetikasa Projet de mise en valeur du haut bassin du Mandrare (PHBM), nahazo famatsiam-bola, indrinra avy amin' ny Fonds international de développement agricole (FIDA). Izany dia mikendry ny hanome sehatra azo antoka ho an' ny fitahirizana sy findramam-bola ho an' ny mponina any ambanivohitra, tsy misy fanavakavahana[1].
Fananganana
[hanova | hanova ny fango]Fahaterahany
[hanova | hanova ny fango]Niorina tamin' ny taona 2004–2005 tany amin' ny faritra Mandrare (kaominian' i Tsivory sy ny manodidina), ilay fikambanana tamin' ny anarana hoe "Caisses FIVOY" (Fitehirizana Vola Ifampisamborana) izay natsangana taoa amin' ny sehatry ny Projet de mise en valeur du haut bassin du Mandrare (na PHBM), tetikasam-pampandrosoana, izay novatsian' ny Fonds international de développement agricole (FIDA) ary nampiharina sady notohanan' ny fikambanana Internationale du crédit agricole et rural (ICAR)[1][2][3][4][5].
Fananganana ny Mutuelle du Mandrare
[hanova | hanova ny fango]Tamin' ny Jona 2005, nanangana ny Mutuelle du Mandrare ny mpikambana ao amin' ny FIVOY, izay tamin' ny voalohany natokana ho an' ny fitahiriazana sy fampindramam-bola tamin' ny voalohany, avy eo dia niova ho orinasa mpampiasa vola ifanampiana (frantsay: institution de microfinance mutualiste)[1]. Ny kesy (caisse villageoise) voalohany dia natomboka tamin' ny May 2004, narahin' ny fananganana ôfisialy ny FIVOY tamin' ny Jona 2005[1][2][3][4][5].
Ny fampandrosoana an' ilay fikambanana dia notohanan' ny Internationale du crédit agricole et rural (ICAR) nanomboka tamin' ny taona 2004, avy eo notohanan' ny Institution financière régionale de l'Anosy (IFRA) tamin' ny taona 2007–2008[1].
Tanjona sy sehatra ary faritra isany
[hanova | hanova ny fango]Tanjona sy tolotra
[hanova | hanova ny fango]Natsangana mba hanohanana ny mponina any ambanivohitra, indrindraindrindra no atolotra azy[2][4][5]:
- fanetsehana ny fitahirizam-bola eny ifotony;
- fanomeana fampindramam-bola ho an' ny tantsaha (hampiroboroboana fiompiana sy ny fambolena) sy ho an' ny mpandraharaha madinika;
- fanohanana ara-teknika sy fitarihana, amin' ny alalan' ny Institution financière régionale de l’Anosy (IFRA) (nanomboka tamin' ny 2007), hanomezana torohevitra ara-bola sy fanofanana ary fanamafisana ny fomba fiasa[1][4].
Sehatra iasana
[hanova | hanova ny fango]Ankoatra ny fitantanam-bola, miasa amina sehatra maromaro koa ny FIVOY[1][4]:
- fampandrosoana ara-toekarena: fambolena, fiompiana, fandrariana, fanamboarana trano fitehirizam-bokatra;
- fotodrafitrasa ara-tsôsialy eny ifotony: fampisakafoanana ny ankizy eny an-sekoly, trano famakiam-boky, fantsakana, famatsian-drano;
- fahasalamana sy fanentanana: sakafo, fahadiovana, fahasalaman' ny reny sy ny zaza, fisorohana ny vohoka aloha loatra (fanentanana eny an-tanàna).
Faritra ahitana azy
[hanova | hanova ny fango]Ny fitahirizam-bola FIVOY, izay nanomboka niasa tamin' ny kaominina sivy manodidina an' i Tsivory, dia niparitaka tsikelikely manerana ny faritra Anosy sy ny faritra Androy[1][6]. Amin' izao fotoana izao, ilay fikambanna (mutuelle) dia manana toeram-pitahirizam-bola ifotony (caisses FIVOY) manodidina ny 26, mizara ho vondrona efatra miasa: Tolagnaro (an-tampon-tanàna sy any ambanivohitra) sy Mandrare Ambony (Haut Mandrare) ary Androy[1][4].
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Azo anovozan-kevitra
[hanova | hanova ny fango]Momba ny FIVOY
- "La mutuelle du Mandrare, des crédits adaptés aux besoins", www.capfida.mg, 2008.
- "Microfinance: 34e caisse de Fivoy à Tolagnaro", midi-madagasikara.mg, 2023
- "Les services d’épargne du réseau fivoy", cdn.thierrybenoit.com
- "Les meilleurs spécialistes de la microfinance à Antananarivo et au Madagascar", www.goafricaonline.com
Momba ny Lalàna faha-96-020
- "Loi 96-020", www.mef.gov.mg
- "Lalàna N° 96-020 tamin' ny 4 septambra 1996 anaovana fitsipika momba ny asa amandraharahan' ny orinasa mpampiasa vola ifanampiana sy andaminana ny firafiny", www.droit-afrique.com
Momba ny Lalàna faha-2005-016
- "LOI n°2005 - 016 relative à l'activité et au contrôle des institutions de microfinance", www.droit-afrique.com
- "Loi n° 2005 - 016 du 29 septembre 2005 relative a l'activite et au controle des institutions de microfinance", www.mef.gov.mg
Momba ny Lalàna faha-52017-026
- "Loi n° 2017 - 026 du 07 décembre 2017 sur la microfinance", www.mef.gov.mg
- "Loi n° 2017 – 026 sur la Microfinance", www.assemblee-nationale.mg
Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- 1 2 3 4 5 6 7 8 9 "Mutuelle du Mandrare = Caisses FIVOY ="Fitehirizana Vola Ifampisamborana"", clemenceetastrid-a-madagascar.over-blog.com
- 1 2 3 "Elevage bovin", cdn.thierrybenoit.com
- 1 2 "Association Fivoy (« rame » en Malgache)", actionssolidaires.net
- 1 2 3 4 5 6 "Article 5 : Fort-Dauphin, la fin d‘une histoire !", scd2012.wordpress.com
- 1 2 3 "Appui au développement des caisses", cdn.thierrybenoit.com
- ↑ "Contribution de la première agence de micro finance (PAMF) à l'accès des ménages agricoles au crédit - cas de la commune rurale d'Analavory ( Madagascar)", www.memoireonline.com