Fitaovam-pananahana

Ny fitaovam-pananahana na rafi-pananahana na taovam-pananahana ao amin' ny zavamananaina iray, dia rafitra biôlôjika voaforon' ny taova rehetra izay mandray anjara amin' ny fananahana. Ao amin' ny zavamamanaina manana taovam-pananahana dia toetra ara-pananahana voalohany ny taovam-pananahana.
Manatanteraka farafaharatsiny ny asan' ny famokarana selam-pananahana antsoina hoe gameta sy ny asan' ny fadonahana ny taova ao amin' ny rafi-pananahana. Ao amin' ny biby manana hazondamosina (na Vertebrata) ia manampy izany ny fitondrana vohoka sy ny fiterahana (na fahaterahana).
Ao amin' ny biby, ny rafi-pananahana dia mifototra amin' ny gônada, izay fihary mamokatra gameta: fihary atodinaina ho an' ny vavy ary ny atodinakanga na vihy ho an' ny lahy. Taovam-pananahan' ny zavamaniry mamony (Angiospermae) ny voniny.