Fisian' Andriamanitra
Fiseho
Ny fisian' Andriamanitra dia lohahevitry ny filôzôfian' ny fivavahana sy ny teôlôjia. Ny tohan-kevitra maro isan-karazany manamarina sy manohitra ny fisian' Andriamanitra dia azo sokajiana ho lôjika, empirika, metafizika, sobjektifa, na siantifika. Tohan-kevitra mitovy na mitovitovy ihany koa no ampiasaina amin' ny ankapobeny rehefa miresaka momba ny fisian' ny andriamanitra maro. Ara-pilôzôfia, ny fanontaniana ny amin' ny fisian' Andriamanitra dia mampiditra an-tsehatra ny epistemôlôjia (ny toetra sy ny sahan' ny fahalalana) sy ny ôntôlôjia (fandalinana ny toetry ny fiziana na ny fisiana) ary ny rijan-kevitra momba ny soatoavina (satria misy famaritana an' Andriamanitra izay mampiditra ny fahalavorariana).