Hankany amin'ny vontoatiny

Firavaka

Avy amin'i Wikipedia
Firavaka

Ny firavaka dia zavatra atao fihaingoana izay matetika vita amin' ny akora isan-karazany ary amboarina amim-pomba voakaly, ho amin' ny tanjona ara-javakanto, ara-pinoana, ara-piarahamonina, na ara-toekarena, izay apetaka amin' ny vatana na anatin' ny vatana mihitsy aza, na ampiarahina amin' ny akanjo. Izy io dia nampiasain' ny olombelona hatramin' ny vanim-potoana talohan' ny fanoratana ny Tantara ary nanana endrika isan-karazany arakaraka ny kolontsaina sy ny akora ampiasaina ary ny vanim-potoana.

Isan-karazanany ny akora fanamboarana firavaka, anisan' izany ny vato, ny metaly (volamena, volafotsy, sns) ivoara, fitaratra, tanimanga, plastika, sns, Betsaka koa ny tanjona anaboarana azy. Anisan' izany ny kanto toy ny fanatsara ny tarehin' ny olona, ​​ny fanasongadinana ny hatsaran-tarehy na ny fanasongadinana ny faritra sasany amin' ny vatana. Ao koa ny fampiasaian ny firavaka amin' ny finoana: ody, fiaro, vokovoko, sns. Ny firavaka koa dia natao hanavahana ny sata ara-piarahamonina na ny aha anisan' ny vondrona iray, sns. Amin' ny lafiny ara-toekarena dia natao ho fitehirizan-karena sy fanehoana ny fananan-karena koa ny firavaka.

Ny faritra amin' ny vatana rehetra dia azo ametrahana firavaka, indrindra ny sofina (kavina), ny vozona (fehivozona), hato-tanana (haba na vangovango), rantsantanana (peratra), sns. Mety hampiarahina amin' ny akanjo koa ny firavaka.