Firaisan' ny Repoblika Sôsialista Sôvietika

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche
Sainan' ny Firaisana Sôvietika
Ny Firaisana Sôvietika eo anivon' izao tontolo izao

Ny Firaisan' ny Repoblika Sôsialista Sôvietika (FRSS), na Firaisana Sôvietika (amin' ny fiteny rosiana: Союз Советских Социалистических Республик / Soyuz Sovietskikh Sotsialistichestikh Respublik) dia Fanjakana federaly, nahitana repoblika sôsialista sôvietika 15, izay nisy nanomboka tamin' ny 30 Desambra 1922 hatramin' ny fanjavonany tamin' ny 26 Desambra 1991. Môskoa no renivohitra.

Iray ampahenin' ny velarana manontolon' ny tany maina ilay firenena izay firenena nidadasika indrindra teto amin' izao tontolo izao. Nandova ny tanin' ny Empira Rosiana izy, afatsy i Finlandy ary Pôlônia izay lasa firenena mahaleotena taorian' ny ady an-trano rosiana tamin' ny 1918 hatramin' ny 1921.