Fintana
Fiseho

Ny fintana dia metaly mifaingoka miendrika farango izay ampiasaina amin' ny fanjonoana, indrindra ny trondro, izay matetika apetaka eny amin' ny tendron' ny tady atao hoe tadim-pintana. Efa nampiasaina tamin' ny vanim-potoana talohan' ny tantara ny fintana, nandritra ny vanim-potoan' ny Sôlotreana tany Eorôpa sy tany amin' ny toeran-kafa manerana izao tontolo izao ny fintana. Ny fintana tranainy indrindra fantatra dia efa 23 000 taona lasa izay ary hita tany Okinawa.