Filozofia fahefatra (jodaisma)

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny Filozofia fahefatra na Sekta fahefatra na Fikambanan'i Jodasy Galileana dia anarana nomen'i Flavio Josefa ny fihetsiketsehana na fikambanana noforonin'i Jodasy Galileana tamin'ny andron'ny fikomiana nataon'ny Jiosy (taona 66 taor. J.K.) hanoherana ny fanisam-bahoaka nampanaovin'i Kirinio tamin'ny taona 6 taor. J.K. raha lasa faritanin'i Jodea fehezin'ny Romana mivantana ny faritra notapahin'i Heroda Arkelaosy.

I Jodasy Galileana no mpitarika ny Jiosy mpikomy tao Galilea (na Galilia) sy tao Jodea (na Jodia) tamin'ny nahalasa faritany romana an'i Jodea.

Ny Filozofia fahefatra dia manizingizina ny amin'ny atao hoe fahafahana sy ny atao hoe fanjakana tsy refesi-mandidin'ny Andriamanitr'i Israely ary manandratra avo ny fitiavan-tanindrazana sy ny fiandrasana ny fanafahana amin'ny andro farany hataon'Andriamanitra (fanafahana eskatolojika). Ny tapany farany tamin'ny fotoana nisehoan'ny fikomian'ny Jiosy dia ny fanoherana hiarovana ny toby famaharana Masada notarihin'i Eleazara zanak'i Jairo, izay zafikelin'i Jodasy Galileana (taona 74).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Antoko sy firehana matanjaka tao amin'ny jodaisma[hanova | hanova ny fango]

Antoko sy firehana hafa tao amin'ny jodaisma[hanova | hanova ny fango]