Ampanga

Ny ampanga dia zavamaniry tsy mamony sy tsy mamoa. Atao hoe Filicophyta ny anarany ara-tsiansa. Fizaràn' ny kriptôgama (manana taovam-pananahana miafina na zara raha hita) misy lalan-dranon-kazo (Tracheophyta). Hita amin' ny faritra trôpikaly ny telo ampahefatry ny karazany, ary ny ankamaroany dia maniry eo amin' ny zavamaniry hafa nefa tsy mitsetsitra (epifita) ny ankabetsahan' ireo apanga trôpikaly ireo. Mametra ny toerana misy azy any amin' ny tany mando ny fomba fananahany.

Ahitana karazany 13 000 eo ho eo izy ireo, ka izy no fisampanan-javamaniry lehibe indrindra aorian' ny Angiospermae. Ny fizaràna teo aloha (Pteridophyta), izay parafiletika, dia nahitana, ankoatry ny ampanga amin' ny heviny tery (Filicophyta) sy ny Psilophyta (izay ampifanakaikezina ankehitriny amin' ny Ophioglossophyta (Ophioglossaceae), ny Sphenophyta ary ny Lycophyta.