Filazantsara miafin' i Marka

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Filazantsara miafin'i Marka)

Ny Filazantsara miafin' i Marka na Evanjely miafin' i Marka na Vaovao Mahafaly miafin' i Marka dia boky apôkrifa pseodepigrafa izay endrika lavan' ny Evanjely kanônikan' i Marka, atao hoe τοῦ Μάρκου τὸ μυστικὸν εὐαγγέλιον, tou Markou to mystikon euangelion amin' ny teny grika.

Ity filazantsara ity dia voatonona manokana ao amin' ny taratasin' i Mar Saba, tahirin-kevitra momba ny maha-azo itokiana azy, izay voalaza fa nosoratan' i Klemento avy any Aleksandria (taona 150–215 taor. J.K.). Io taratasy io kosa dia tsy voatahiry afa-tsy amin’ ny alalan' ny sarin’ ny dika soratra grika iray izay toa nadika tamin’ ny taonjato faha-18 ho amin’ ny taratasy farany amin’ ny fanontana tamin’ ny taonjato faha-17 tamin’ ny asan’ i Ignatiôsy avy any Antiôkia. Misy manam-pahaizana mihevitra fa te hilaza ilay taratasy fa nandray anjara tamin' ny firaisana ara-nofon' ny mitovy fananahana i Jesoa, na dia iadian-kevitra aza io fivoasana io.

Tamin’ ny taona 1958, i Morton Smith, mpampianatra tantaran' ny Andro Taloha tao amin’ ny Oniversiten’ i Columbia, dia nahita taratasy tsy fantatra taloha nosoratan' i Klemento avy any Aleksandria tao amin’ ny mônasteran' i Mar Saba, any amin’ ny 20 km atsimo-atsinanan’ i Jerosalema. Nanao fanambarana ôfisialy momba ny fahitana izy tamin' ny taona 1960 izy ary namoaka ny fandalinany ny lahatsoratra tamin' ny taona 1973. Nafindra tao amin’ ny tranombokin’ ny Fiangonana Ôrtôdôksa Grika any Jerosalema ilay sora-tanana voalohany, ary taoriana kelin’ ny taona 1990 dia very ilay izy. Ny fikarohana fanampiny dia mifandraika amin' ny sary sy dika mitovy, anisan' izany ireo nataon' i Smith tenany.

Ao amin’ ilay taratasy, izay nosoratana ho an’ i Teôdôrôsy (Theodoros) tsy fantatra, dia nilaza i Klemento fa "rehefa maty maritiora i Petera, dia tonga tany Aleksandria i Marka [izany hoe i Marka Evanjelista], nitondra ny taratasiny sy ny an’ i Petera, izay nafindrany ho amin’ ny bokiny taloha [izany hoe ny Filazantsaran' i Marka] ny zavatra sahaza ho an’ izay rehetra mandroso ho amin’ ny fahalalana." Nilaza koa izy fa navelan' i Marka ho an' ny fiangonana any Aleksandria izany dikan-teny miitatra izany, izay fantatra ankehitriny amin’ ny anarana hoe Filazantsara Miafin' i Marka, "ho an' ny fiangonana any Aleksandria, izay mbola iambenana tsara indrindra azy, ka tsy hovakiana afa-tsy amin’ izay ampidirina ao amin’ ny zava-miafina lehibe”. Nanonona andalana roa avy ao amin' io Filazantsara Miafin' i Marka io i Klemento, izay ilazana fa nanangana tovolahy mpanankarena iray tamin' ny maty tao Betania i Jesoa, ao amin’ ny andalana lava kokoa, tantara izay mitovitovy amin' ny tantaran' ny nananganana an' i Lazarôsy tao amin' ny Filazantsaran' i Joany.

Niteraka resabe tamin' io fotoana io ny famoahana ilay taratasy saingy vetivety dia nampangaina ho zavatra sandoka sy fanehoana diso. Na dia nanaiky an' ilay taratasy ho tena izy aza ny ankamaroan' ny manam-pahaizana momba ny patristikan' i Klemento dia tsy nisy marimaritra iraisana momba ny maha azo itokiana an' ilay taratasy ny manam-pahaizana momba ny Baiboly, ary mizarazara ny hevitra. Satria ny lahatsoratra dia voaforona lahatsoratra roa, misy fiheverana vitsivitsy ny mety ho izy: izy roa ireo dia mety ho tena izy na tsy marina, na ny iray mety ho tena izy ary ny iray tsy marina. Ny ankamaroan' ireo izay mihevitra fa hosoka ilay taratasy dia mihevitra fa hosoka môderna izy io, ka i Smith no voampanga matetika ho nanao izany hosoka izany. Raha soratra sandoka môderina ilay taratasy dia ho sandoka koa ny ampahany amin' ny Filazantsara Miafin' i Marka. Misy ny manaiky an’ ilay taratasy ho tena izy nefa tsy mino ny fitantaran’ i Klemento, ary milaza kosa fa io filazantsara io dia ala-tahaka gnôstika tamin’ ny taonjato faha-2. Ny hafa indray mihevitra fa marina ny filazan' i Klemento ary ilay filazantsara miafina dia fanoratana faharoa amin' ny Filazantsaran' i Marka naitatr' i Marka tenany. Ny hafa indray dia mahita ny Filazantsara Miafin' i Marka ho filazantsara tany am-boalohany izay nialoha ny Filazantsara kanônikan' i Marka, ary ny Filazantsara kanônikan' i Marka dia vokatry ny andalana ao amin' ny Filazantsara Miafin' i Marka nataon' i Klemento tonon-tsiahy sy ireo andalan-tsoratra hafa nesorina, na nataon' i Marka tenany na olon-kafa tamin' ny dingana manaraka.

Misy resabe mitohy manodidina ny maha azo itokiana ny taratasin' i Mar Saba. Mizarazara ny manam-pahaizana momba ny maha azo itokiana, ary ny adihevitra momba ny Filazantsara Miafin' i Marka noho izany dia mbola tsy misy hivoahana, na dia mitohy aza ny adihevitra.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]