Filazam-potoana lasa efa

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Filazam-potoana lasan'ny lasa)

Ny filazam-potoana lasa efa dia filazam-potoana manakambana ny filazam-potoana lasa sy ny fanehoan-javatra efa ka ilazana asa na toetra nitranga alohan' ny asa na toetra niseho tamin' ny fotoana lasa. Atao hoe filazam-potoana lasan' ny lasa ihany koa io filazam-potoana io. Ahitana io filazam-potoana io, ohatra, ny fiteny latina (plus quam perfectum) sy ireo fiteny nipoitra avy amin' ny fiteny latina toy ny fiteny frantsay (plus-que-parfait), ny fiteny pôrtogey (mais-que-perfeito), ny fiteny espaniôla (pretérito pluscuamperfecto), ny fiteny romaniana (mai mult ca perfectul), ny fiteny jermanika toy ny fiteny anglisy (past perfect na pluperfect), ny fiteny alemana (Plusquamperfekt na Vorvergangenheit). Ao amin' ny ankamaroan' ny fiteny ankehitriny ahitana azy dia foronin' ny matoanteny mpanampy toy ny have (anglisy) na avoir (frantsay) (na ny mitovy amin' izy ireo amin' ny fiteny hafa) tanisaina amin' ny filazam-potoana lasa tsotra (past simple na imparfait) sy ny ova-matoanteny lasa io filazam-potoana io.

Ohatra:

  • Frantsay: Il avait donné de l'argent au marchand. ("Nanome vola ny mpivarotra izy")
  • Anglisy: He had given money to the merchant. ("Nanome vola ny mpivarotra izy")
  • Latina: Pecuniam mercatori dederat. ("Nanome vola ny mpivarotra izy")

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]