Filôzôfian' ny fivavahana

Ny filôzôfian' ny fivavahana dia sampan' ny filôzôfia andinihana momba ny lohahevitra fototra sy voan-kevitra hita ao amin' ny fivavahana. Mametraka ny fanontaniana momba ny atao hoe fivavahana ity taranja ity. Arakaraka ny fiheverana ny fivavahana apetraka araka izany sy arakaraka ny fanontaniana fototra apetraka momba ny fivavahana dia mety hifanaraka amin' ny fomba fiasa samihafa ny filôzôfian' ny fivavahana. Misedra fahasahiranana manokana ny filôzôfian' ny fivavahana noho ny tsy fisian' ny voan-kevitra momba ny fivavahana izay mety amin' ny zava-drehetra izay heverina ho momba ny fivavahana. Miseho amin' ny fomba samihafa ny filôzôfian' ny fivavahana, arakaraka ny fivavahana sy ny fotoana ary ny toerana isahanana azy.
Ny fifanakalozan-kevitra filôzôfika momba ny lohahevitra toy izany dia efa hatramin' ny Andro Taloha, ary hita ao amin' ny lahatsoratra fantatra voalohany momba ny filôzôfia. Io sehatra io dia ahitana sampana maro hafa amin' ny filôzôfia, ao anatin' izany ny metafizika, ny epistemôlôjia, ny lôjika, ny etika, ny estetika, ny filôzôfian' ny fiteny ary ny filôzôfian' ny siansa.
Tsy mitovy amin' ny filôzôfia ara-pivavahana ny filôzôfian' ny fivavahana satria mikatsaka ny hiresaka ny amin' ny lohahevitra momba ny toetry ny fivavahana amin' ny ankapobeny izy, fa tsy mandinika ny olana ateraky ny rafi-pinoana iray manokana. Tsy mitovy amin' ny teôlôjia ny filôzôfian' ny fivavahana satria mikendry ny handinika ny voan-kevitra ara-pivavahana amin' ny fomba fijery filôzôfika tsy mitanila, fa tsy amin' ny fomba fijery araka ny fivavahana iray manokana. Tsy mitovy amin' ny siansan' ny fivavahana koa ny filôzôfian' ny fivavahana satria mikatsaka hanombana ny fahamarinan' ny fomba fijery ara-pivavahana maneran-tany. Afaka manao izany amim-pitoniana ny olona na mpino na tsy mpino.