Aller au contenu

Filôzôfia presôkratika

Avy amin'i Wikipedia

Ny filôzôfia presôkratika dia filôzôfia, tany Grisia fahiny, tamin' ny niandohan' ny filôzôfia tandrefana tamin' ny tamin' ny tapaky ny taonjato faha-6 tal JK ka hatramin' ny taonjato faha-5 tal JK. izany hoe talohan' i Sôkraty (470-399 tal JK) ny ankamaroan' ny filôzôfa tao aminy. Na izany aza, ny mpandinika sasany izay heverina fa presôkratika dia niara-belona tamin' i Sôkraty, toy ny Atômista sy ny Sôfista sasany.