Hankany amin'ny vontoatiny

Fikatsahana an' ilay Jesoa ara-tantara

Avy amin'i Wikipedia
Sary hosodoko tamin' ny taonjato faha-3 tao amin' ny katakômban' i Md Kalisto any Rôma, mampiseho an' i Jesoa ho Mpiandry Tsara.

Ny fikatsahana an' ilay Jesoa ara-tantara dia sampam-pikarohana ara-tantara momba an' i Jesoa na Jesosy. Nanomboka tamin' ny taonjato faha-18 ka mitohy hatramin' izao izy io, ary mifototra amin' ny famakafakana ara-tantara aman-tsikera ny Baiboly. Mizara vanim-potoana telo izany fikatsahana izany.

Ny voalohany, nanomboka tamin' ny tapaky ny taonjato faha-18, dia nanandrana naminavna ny mety ho "fiainan' i Jesoa" amin' ny maha olo-malaza azy teo amin' ny ara-panahin' ny olombelona, amin' ny alalan' ny fanesorana ny dôgma kristiana. Olana teo amin' iany fpoba fiasa izany tsy dia fisian' ny loharano momba an' i Jesoa, afa-tsy ny filazantsara kanônika, izay asasoratra teôlôjika mikendry kokoa ny hanamarina ny finoan' ny Kristiana voalohany fa tsy mikendry hitatitra ny tantaram-piainany.

Nisy fikatsahana faharoa, tao anatin' ny rafitry ny sekoly alemàna, dia nanomboka tamin' ny taompolo 1950, ka nanavaka ny "Jesoa ara-tantara" (ny zavatra rehetra azo lazaina momba an' i Jesoa araka ny loharano misy) sy ny "Jesoa tena izy". Nikatsaka ny hamaritana ny fitaovana maro enti-manao tsikera araka ny literatiora izany fomba fiasa izany mba hanavahana ao amin' ireo loharano ireo, ny vokatry ny famolavolana taty aoriana, sy izay azo lazaina fa an' i Jesoa sy mety nampiavaka azy teo amin' ny jodaisma.

Farany, ny fikatsahana fahatelo, izay nataon' ny mpikaroka amerikana sy alemàna indrindra nanomboka tamin' ny tapaky ny taompolo 1980, dia mikendry ny hametraka an' i Jesoa ao anatin' ny tontolon' ny jodaisman' ny taonjato voalohany, izay nahitana endrika samihafa kokoa noho ny tatỳ aoriana. Ny adi-hevitra dia mifantoka amin' ny singa maneho ny fitohizana sy ny fahatapahana teo amin' i Jesoa mifandraika amin' ny tontolo ara-pivavahana sy ara-piarahamonina ary ara-pôlitika.