Hankany amin'ny vontoatiny

Fikambanana

Avy amin'i Wikipedia

Fikambanana

[hanova | hanova ny fango]
Fangon'ny fikambanana iray
Fangon'ny Fikambanana MamynySoa

Ny fikambanana dia vondron’olona[1] miray hina amin’ny tanjona sy vina iraisana, ka manangana rafitra iombonana entina manatanteraka asa na hetsika amin’ny sehatra iray manokana. Matetika, ny fikambanana dia manana fitsipika, rafitra, ary fanapaha-kevitra iombonana izay mifehy ny asany sy ny fandraisan’anjaran’ny tsirairay.

Karazana fikambanana

[hanova | hanova ny fango]

Misy karazany maro ny fikambanana, arakaraka ny tanjony sy ny fomba fiasany:

  • Fikambanana ara-tsosialy: manampy amin’ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka (oh: fikambanana tanora, fikambanana vehivavy).
  • Fikambanana ara-kolontsaina: mikendry ny hampiroborobo ny kolontsaina sy fiteny.
  • Fikambanana ara-tsiantifika: manao fikarohana sy fanabeazana.
  • Fikambanana ara-pivavahana: mifototra amin’ny fivavahana na finoana.
  • Fikambanana tsy mitady tombombarotra (ONG): manampy amin’ny asa sosialy sy fanasoavana.
  • Fikambanana ara-barotra: mety ho vondrona fandraharahana, na vondrona mpandraharaha.

Toetra mampiavaka ny fikambanana

[hanova | hanova ny fango]
  • Tanjona mazava: mamaritra ny antony namoronana ilay fikambanana.
  • Rafitra iombonana: ahitana birao, filoha, sekretera, mpikambana.
  • Fitsipika na sata: soratana sy ifanarahana, mifehy ny fomba fiasan’ny fikambanana.
  • Fivoriambe: fivoriana ifampizaràna sy ifanaovana fanapahan-kevitra.
  • Fanekem-pikambanana: fifanarahana ifanaovana amin’ny mpikambana rehetra.

Fidirana amin'ny ara-dalàna

[hanova | hanova ny fango]

Amin'ny ankamaroan'ny firenena, dia afaka atao ara-dalàna ny fikambanana amin’ny alalan'ny fisoratana anarana amin'ny fanjakana. Izany dia manome zo sy adidy ara-panjakana, anisan’izany:

  • Zo hanana kaonty amin’ny banky amin’ny anaran’ny fikambanana.
  • Zo hanao fifanarahana.
  • Zo hividy fananana.
  • Fanarahana lalàna mikasika ny hetra sy ny fitantanam-bola.

Anjara andraikitry ny fikambanana amin’ny fiarahamonina

[hanova | hanova ny fango]

Ny fikambanana dia mitana andraikitra lehibe amin’ny:

  • Fanentanana sy fanabeazana.
  • Fiarovana ny zon’olombelona.
  • Fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy.
  • Fampivondronana ny olona manana tombontsoa iombonana.

Ny fikambanana dia singa manan-danja amin’ny fananganana fiarahamonina mandroso sy mandala ny soa iombonana. Amin’ny alalan’ny fiaraha-mientan’ny mpikambana ao aminy no ahafahany manatanteraka ny vinany sy mandray anjara amin’ny fanovana sy fandrosoana ara-tsosialy, ara-kolontsaina, ara-toekarena ary ara-piarahamonina.

  1. https://www.vie-publique.fr/fiches/24076-quest-ce-quune-association