Fihary atodinaina (bôtanika)
Fiseho
Ny fihary atodinaina dia ny tapany ambany amin' ny singam-bavimbony izay mamorona lavaka mihidy itoeran' ny tsirivavy, ao amin' ny kitrano tokana na maromaro misaraka. Ny fihary atodinaina, rehefa matoy, dia mamokatra voa toy ny laoranjy, ny voaloboka, akondro, ny pepan' ny pitipoa na ny an' ny tsaramaso, ... Raha momba ny sarim-boa toy ny an' ny paoma sy ny poara ary ny frezy kosa, ny ampahany hafa amin' ny vony, anisan' izany ny tapany ambony amin' ny tangozam-bony izay ipetahan' ny vonin-javamaniry, dia mandray anjara amin' ny fiforonan' ny voa koa.