Hankany amin'ny vontoatiny

Fifohazam-panahy tao Azusa Street

Avy amin'i Wikipedia
Ny "Apostolic Faith Mission", toerana nahaterahan' ny pentekôtisma.

Ny Fifohazam-panahy tao Azusa Street dia hetsika fifohazam-panahy natao tany Los Angeles(California) nanomboka tamin' ny taona 1906, izay niandohan' ny hetsika pentekôtista. Ny pasitera afrô-amerikana William J. Seymour no nitarika azy io ary nitohy hatramin' ny taona 1915.

William J. Seymour

Niavaka tamin' ny traikefa ara-panahy miaraka amin' ny fijoroana ho vavolombelona momba ny fanasitranana ara-batana mahagaga, sy ny fanompoam-pivavahana, ary ny fitenenana amin' ny fiteny tsy fantatra. Notsikerain' ny fampahalalam-baovao sy ny teôlôjiana kristiana maro tamin' izany fotoana izany izy io noho ny amin' izay heverin' izy ireo ho mahamenatra sy tsy araka ny tokony ho izy, io fifohazam-panahy io ankehitriny dia heverin' ny mpahay tantara ho tena fototry ny fielezan' ny pentekôtisma tamin' ny taonjato faha-20.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]