Hankany amin'ny vontoatiny

Fifandraisana iraisam-pirenena

Avy amin'i Wikipedia

Ny fifandraisana iraisam-pirenena ny fifandraisana sy ny fifanakalozana eo amin' ny samy firenena sy fanjakana. Lohahevitra fototra halalinina ny lalàna iraisam-pirenena, ny pôlitika iraisam-pirenena, ny toekarena iraisam-pirenena ary ny tantaran' ny fifandraisana iraisam-pirenena. Halalinina amin' ny alalan' ireo zana-taranja ireo amin' ny ankapobeny ny raharaham-bahiny sy ny lohahevi-delehibe eo amin' ny rafitra iraisam-pirenena: ny andraikitry ny firenena tsirairay, ny fikambanana iraisam-pirenena, ny fikambanana tsy miankina amin' ny fanjakana, ary ny orinasa iraisam-pirenena.

Sady sahanin' ny sehatra akademika no sahanin' ny sehatra pôlitika ny fifandraisana iraisam-pirenena. Azo halalinina amin' ny fomba fijery manoritsoritra na amin' ny fomba fijery mamaritra fenitra izany. Samy mikatsaka ny hamakafaka sy handrafetana ny pôlitika iraisam-pirenenan' ny firenena ireo fomba fijery roa ireo.

Na dia tao amin' ny sehatry ny siansa pôlitika aza ny fifandraisana iraisam-pirenena teo amin' ny tantara, dia mihamitombo hatrany ny fanamafisana ny sehatra ara-toekarena amin' ny alalan' ny toekarena pôlitika iraisam-pirenena, izay nivoatra be nanomboka tamin' ny taopolo 1970. Misy sehatra akademika hafa koa izay voakasik' izany: ny lalàna iraisam-pirenena, ny filôzôfia, ny jeôgrafia (indrindra amin' ny alalan' ny jeôpôlitika), ny sôsiôlôjia, ny antrôpôlôjia, ny fandalinana ny kolontsaina, ny siansa pôlitika.

Lohahevitra dinihina manokana ny fanatontoloana, ny fanjakana, ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra, ny fihanaky ny fitaovam-piadiana nokleary, ny nasiônalisma, ny fampandrosoana ara-toekarena, ny fitantanam-bola iraisam-pirenena, ny zon' olombelona, ​​sns.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]