Fifandraisan' i Madagasikara sy i Israely

Ny fifandraisan' i Madagasikara sy i Israely dia niseho amin' ny endrika diplômatika nanomboka tamin' ny taona 1960, tapaka tamin' ny 1973 taorian' ny Ady tamin' ny Yom Kippur izany, ary avy eo dia nitohy indray tamin' ny taona 1994. Talohan' ny nanapahan' ny fifandraisana ara-diplômasia tamin' ny 1973 dia nanana masoivoho tao Antananarivo i Israely ary nanana masoivoho tany Tel Aviv i Madagasikara. Amin' izao fotoana izao dia efa eken' i Madagasikara ny masoivohon' i Israely atsy Afrika Atsimo, ary ny masoivohon' i Madagasikara any Paris dia ekena ho an' i Israely.

Fifandraisana ara-diplômasia, ara-pôlitika, ara-toekarena, ara-tafika, ara-kolontsaina ary hafa no misy eo amin' ny Fanjakan' i Israely sy ny Repoblikan' i Madagasikara ankehitriny. Ny fiaraha-miasa dia mifantoka amin' ny fambolena, ny fahasalamana, ny fiofanana ary fifanakalozan' ny samy parlemantera[1]. Tsy dia lehibe ny varotra ifanaovan' ny firenena roa tonta. Misy koa ny Malagasy vitsy izay milaza fa manam-piaviana jiosy ka manamafy ny fifandraisana ara-kolontsaina[2].
Tantara diplômatika
[hanova | hanova ny fango]Fankatoavana sy fananganana fifandraisana diplômatika
[hanova | hanova ny fango]
Nankato ny maha firenena manam-piandrianana an' i Madagasikara i Israely tamin' ny taona 1960 nahazoana ny fahaleovantena, ka nanokatra masoivoho teto Madagasikara. Nifampitsidika ny filoham-pirenena malagasy Philibert Tsiranana sy ny filoha israeliana Yitzhak Ben-Zvi ary nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa, indrindra teo amin' ny sehatry ny fambolena[3][4].
Fahatapahan' ny fifandraisana taorian' ny Ady tamin' ny Yom Kippur
[hanova | hanova ny fango]Tamin' ny 20 Oktobra 1973, noho ny faneren' ny firenena arabo dia nanapaka ny fifandraisana ara-diplômasia tamin' i Israely i Madagasikara, toy ny firenena afrikana 42 hafa, taorian' ny Ady tamin' ny Yom Kippur tamin' ny taona 1973[5][6].
Famerenana ny fifandraisana
[hanova | hanova ny fango]Nitohy indray ny fifandraisana ara-diplômasia ôfisialy tamin' ny taona 1994 teo amin' i Madagasikara sy i Israely. Nandritra izany fotoana izany dia nampiroborobo ny fifanakalozana ara-panabeazana niaraka amin' ny masoivohon' i Israely ny hetsika ataon' ny olom-pirenena, toy ny Club Shalom Madagascar (1992)[7]. Mifantoka amin' ny fambolena, ny fahasalamana, ny fiofanana ary fifanakalozan' ny samy parlemantera ny fiaraha-miasa[1]. Misy koa ny Malagasy vitsy izay milaza fa manam-piaviana jiosy, ka manamafy ny fifandraisana ara-kolontsaina izany[2].
Endriky ny fifandraisana ankehitriny
[hanova | hanova ny fango]Fiaraha-miasa sy fifanakalozana
[hanova | hanova ny fango]Amin' ny taona 2019, ny Merkaz leShituf Pe’ula Beinleumi (MASHAV) (masoivoho israeliana momba ny fiaraha-miasa) dia mikarakara fiofanana ho an' ny mpianatra malagasy ary nampiroborobo ny tambajotra amin' ny alalan' ny Shalom Club Madagascar[8][9]. Nisy ny fanampiana ara-pahasalamana sy ara-tsakafo nokarakarain' ny fanjakana israeliana tamin' ny taona 2016[10][11] nandritra ny rivodoza ary tamin' ny taona 2017 nisian' ny valan' aretina pesta, tamin' ny alalan' i Magen David Adom (MDA) sy ny MASHAV[11]. Tamin' ny taona 2020 dia natomboka teo anivon' ny Antenimiera malagasy ny Fivondronamben' ny Sakaizan' i Israely (Israel Allies Caucus) mba hanamafisana ny firaisankina ara-pôlitika sy ara-toekarena manoloana ny hetsika "Boycott, Divestment, and Sanctions " (BDS)[1][12].
Raharaham-barotra
[hanova | hanova ny fango]Araka ny tatitry ny Observatory of Economic Complexity (OEC), tamin' ny taona 2022 dia nitentina 519 000 dôlara ny fanondranana nataon' i Madagasikara tany Israely, anisan' izany ny jirofo sy ny dipoavatra ary ny voamaina. Mitentina 2,89 tapitrisa dôlara ny fanondranana nataon' i Israely eto Madagasikara, anisan' izany ny fitaovam-piadiana sy ny loko ary ny voasary[3][13].
Kolontsaina sy fivavahana
[hanova | hanova ny fango]Misy antokom-pivavahana malagasy vitsy anisa milaza ho Jiosy: misy ny vondrom-piarahamonina mesianika na sefarady (olona miisa 2 000 eo ho eo) izay manaraka ny jodaisma, ary tamin' ny taona 2016 dia maro no niova finoana araka ny fombafomban' ny jodaisma ôrtôdôksa[2]. Ny lovantsofina sy ny fitantarana momba ny fiaviana israelita, indrindra fa ny an' ny Antemoro-Anakara, dia mitantara ny momba ny razambe jiosy iray nandositra an' i Meka (na Maka) tamin' ny taonjato faha-15 ary nitondra zavatra masina taty Madagasikara[14].
Ny rafitra diplômatika ankehitriny
[hanova | hanova ny fango]Manana kônsolatam-boninahitra (consulat honoraire) ao Antananarivo i Israely, izay manome tolotra toy ny pasipaoro, ny vonjy taitra, sns. Misolo tena an' i Madagasikara any Israely ny kônsolata any Tel Aviv, fa tsy misy n ymasoivoho maharitra[15][16].
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- "Израильско-мадагаскарские отношения", ru.wikipedia.org
- "What if between France's surrender in 1940 and the British invasion of Madagascar in 1942, the Germans were able to organize settlements for European Jewish "emigres" in Southern Madagascar? (under the Haavara Agreement of 1933, between Nazi Germany and the International Zionist Organization)",
Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- 1 2 3 "Madagascar initiates Parliamentary Israel Allies Caucus", www.jpost.com
- 1 2 3 "In remote Madagascar, a new community chooses to be Jewish", www.timesofisrael.com
- 1 2 "Madagascar Meets the Jews", www.reddit.com
- ↑ "Map of Occupation of Europe - Independent Kingdom of Madagascar Timeline", www.reddit.com
- ↑ "Relations Israël-Afrique. Que retenir de la décennie Netanyahou ?", www.ifri.org
- ↑ "Israëlafrique – Lobbying détourné ?", www.afrique-asie.fr
- ↑ "Madagascar Groups Seek Closer Jewish Ties Archived Febroary 20, 2025 at the Wayback Machine", kulanu.org
- ↑ "L’Expédition missionnaire 2019 : une mer d’espérance se termine à Madagascar", comshalom.org
- ↑ Ny MASHAV dia fanafohezana ny hoe מרכז לשיתוף פעולה בינלאומי / Merkaz leShituf Pe’ula Beinleumi, izay midika hoe "Foibe ho an' ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena amin' ny fampandrosoana".
- ↑ "Humanitarian assistance to Madagascar", itongadol.com
- 1 2 "Israël au secours de Madagascar, victime d’une épidémie de peste noire Archived Mey 22, 2025 at the Wayback Machine", haguesher.com
- ↑ Ny hetsika Boycott, Divestment, and Sanctions (BDS) dia fanentanana maneran-tany natomboky ny fikambanana palestiniana maro tamin' ny taona 2005. Miantso ny fiarahamonim-pirenena iraisam-pirenena izany hetsika izany mba hampihatra fanerena ara-toekarena sy ara-kolontsaina ary pôlitika amin' i Israely.
- ↑ "🇲🇬 Madagascar / Israel 🇮🇱", oec.world (Notsidijhina tamin' ny 23/06/2025)
- ↑ "Histoire des ancêtres Antemoro-Anteony", www.persee.fr
- ↑ "Consulate of Israel in Antananarivo, Madagascar", www.embassypages.com
- ↑ "Israeli Honorary Consulate in Antananarivo", zambia-visa.com