Fifamoivoizana an-dranomasina

Avy amin'i Wikipedia

Ny fifamoivoizana an-dranomasina dia ny asan' ny olombelona rehetra momba ny fitondrana sambo eny amin' ny ranomasina sy ny ranomasimbe, avy amin' ny toerana iaingana hatramin' ny toerana hahatongavana, ary ny teknika sy fomba rehetra ahafahan' ny mpitatitra an-dranomasina mamaritra ny toerana misy azy sy mikajy ny lalana tokony harahina mba hahatongavana any amin' ny toerana haleha. Misy ny fifamoivoizana manaraka ny morontsiraka, ny fifamoivoizana an-dranomasina anjoanjo, ny fifamoivoizana amin' ny alalan' ny fandinihana ny zavatra eny amin' ny lanitra (kintana, sns), sns. Misy koa ny kajy atao momba ny famonta na samonta. Izany rehetra izany dia atao mba hialana amin' ny loza ateraky ny fitetezam-paritra. Mifototra amin’ ny fahalalana fizika, matematika, ôseanôgrafia, kartôgrafia, astrônômia, sns. izany.