Hankany amin'ny vontoatiny

Fidelis Justin Rabetsimandranto

Avy amin'i Wikipedia
Fidelis Justin Rabetsimandranto
Ankapobeny
AnaranaFidelis Justin Rabetsimandranto
Terakaoktobra 1907
ToeranaAntananarivo
MatyAogositra 1966
Fiaviana sy ny andraikitra
FirenenaMadagasikara
Asa :mpanoratra
Asa hafampikabary
Fiainana manokana

Fidelis Justin Rabetsimandranto dia mpanoratra, mpanao tantara ary mpanoratra tantara an-tsehatra malagasy, teraka tao Antananarivo tamin’ny volana Oktobra 1907 ary nodimandry tamin’ny taona Aogositra 1966. Anisan’ireo mpanoratra nanamarika ny literatiora malagasy tamin’ny taonjato faha-20 izy, indrindra tamin’ny alalan’ny tantara, kabary ary asa momba ny fomba amam-panao malagasy.

Tantaram-pianany

[hanova | hanova ny fango]

Nampiasa ny anarana hoe Fidelis Justin ho solon’anarana literera izy tamin’ny asa sorany sasany. Tafiditra tao anatin’ny taranaka mpanoratra malagasy tamin’ny fanoratana amin’ny teny malagasy sy teny frantsay izy, niaraka tamin’ireo anarana malaza toa an’i Jean-Joseph Rabearivelo sy Jean Verdi Salomon Razakandrainy.

Tao Mananjara, vohitra kely naorin’Andrianampoinimerina eny an-tendrombohitr’Ambohijanahary atsimo, no nahaterahan’i Rabetsimandranto. Avy amin’ireo “Valopololahy” sy “Valopolovavy” nafindran’Andrianampoinimerina honina tao ny razambeny.

Ny sekoly nianarany

Nampianarin-dRenibeny namaky teny tsotsotra.

Tao amin’ny Sekolim-panjakana tao Fiadanana izy no nanomboka nianatra, ary tatỳ aoriana dia nifindra tao amin’ny “École Supérieure” tao Faravohitra. Rehefa avy teo dia niditra ho kilasimandry tao amin’ny “Collège Saint-Michel” Amparibe izy, toerana nianarany nandritra ny efa-taona ka nahazoany ny diplaoma hahafahany mampianatra[1].

Tamin’ny taona 1925, rehefa nahavita fianarana izy, dia voamariky ny maro ny talentany teo amin’ny fanoratana ka nantsoina ho isan’ny mpanoratra tao amin’ny gazety “Feon’ny Marina”[2]. Tao no tena nanombohany ny asa soratra sy nahafantaran’ny olona ny hakanton’ny peniny, izay nosoniaviny tamin’ny solon’anarana hoe “Fidelis-Justin”, anarana nampiasainy mandra-pahafatiny.

Ny poezia no tena sehatra nahafinaritra sy nampalaza azy indrindra; zavakanto nokolokoloiny sy nanakaiky ny fony indrindra izany. Herintaona monja taorian’ny nanombohany nanoratra an-gazety dia efa namoaka ny bokiny voalohany izy, mitondra ny lohateny hoe “Fehezam-boninkazo”, fitambaran-tononkalo mirindra sy feno aingam-panahy avo lenta, izay niavaka tamin’ireo asa soratra fahita tamin’izany fotoana izany [3].

Hatramin’ny taona 1926 dia tsy nitsahatra namokatra asa soratra i Fidelis Justin Rabetsimandranto. Nifantoka indrindra tamin’ny literatiora izy ka nahavita asa betsaka : tononkalo sy tantara poezia an-jatony, tantara foronina enina ambin’ny folo, tantara an-tsehatra enina, ary boky momba ny vako-drazana enina, isan’izany ny “Kabary taloha sy ankehitriny”[4].

Ny asa nataony

Nampianatra tao amin'ny Kolejy Saint Michel izy.

Rédacteur en chef tamin'ny gazety Feon'ny merina izy.

Sanganasany

[hanova | hanova ny fango]

Tao amin'ny Feon'ny merina no nanomboka nahalalan'ny maro ny hakanton'ny diam-peniny tamin'ny 1926.Ny poezia no isan'ny soratra nanavanana azy sy nakafiziny fatratra.

Isan-karazany ny asa soratra nisoratany toy ny lahatsoratra tsotra, tononkalo, tononkira lahateny.

Nanoratra tamin'ny teny malagasy sy teny frantsay koa izy. Boky maromaro no vitany ary maro tamin'ny ireny no hahazoany loka.

Azo zaraina toy izao ny asa sorany

1- Tantara fampisehoana an-tsehatra

Enina ny malaza indrindra dia sarobaton'ilay jamba, sahy sedra, Mizana tsindrin' ila, Fo idealy, Antananarivo sy Ambanivohitra.

2-Tantara foronina

Hady folo sosona, Vatolahy, Ranokobe, Soaniary

3-Amboara tononkalo sy tantara poezia

Miisa an-jatony isan'izany : Ny Fehezam-boninkazo, Ny voninkazon-dohataona, Vetsovetso Takariva, Votsodroa, Adidy nandresy fitiavana, Tritriva, Andraikiba, Avonavona resim-pitia, Trimofoloalina.

Ny fomba amam-panao

Ny kabary taloha sy ankehitriny, kabary vaovao, Fomba amam-panao malagasy 1887-1962

Ireo karazana asa sorany hafa

  • Les amants de Tritriva
  •  Ny hypnotisme
  • Ny tsiambaratelon'ny fanambadiana
  • Ny fandroana Malagasy
  • La nymphe dorrée
  • Bouquet de rêves
  • Les mpilalao
  • Ny gazety niadidiany
  • Ny feon'ny marina
  • Isan'andro
  • Ny tanindrazana
  • Fampitahana
  • Nanoratra tao amin'ny Revio écrivains et poètes de Madagascar koa izy.

mpanoratra malagasy i Fidelis Justin Rabetsimandranto noho ny fandraisany anjara tamin’ny fampiroboroboana ny haisoratra malagasy[5].

Referansa

[hanova | hanova ny fango]