Ficus religiosa

Ny Ficus religiosa dia karazana hazo ao amin' ny vondron-karazana Ficus, ao amin' ny fianakaviana Moraceae. Izy io dia hazo masina amin' ny hindoisma sy amin' ny bodisma. Amin' ny teny malagasy izy dia atao hoe aviavinkaràna.
Famariparitana
[hanova | hanova ny fango]Hazo lehibe izay mahatratra haavo 30 m ny Ficus religiosa. Manana savaivo mety mahatratra 3 m ny vatany.
Raviny
[hanova | hanova ny fango]
Maitso lalandava ny raviny miendrika fo, manana tendrony lava amantarana azy. Manana halava 10 hatramin' ny 17 sm sy sakany 8 hatramin' ny 12 sm ireo ravina ireo, miaraka amin' ny tangozan-dravina 6 hatramin' ny 10 sm.
Voany
[hanova | hanova ny fango]
Mirefy 1 hatramin' ny 1,5 sm ny savaivon' ny voany izay mivadika volomparasy rehefa masaka. Anisan' ny "aviavy mpanakenda" ny Ficus religiosa.
Faritra ahitana azy betsaka
[hanova | hanova ny fango]Hita any amin' ny firenena ireto ny Ficus religiosa: India, any Bangladesy, any Nepaly, any Pakistana, any Srilanka, any amin' ny faritra atsimo-andrefana amin' i Sina ary any Indôsina.
Ny Ficus religiosa tranainy indrindra eran-tany dia angamba hazo iray nentina avy any amin' ny faritra avaratr' i India ho any Srilanka tamin' ny taona 288 tal JK ary izay mbola velona tamin' ny taona 1852, ka niana 2 147 taona izany.
Fampiasana
[hanova | hanova ny fango]Ny Ficus religiosa dia ampiasaina amin' ny fitsaboana ao amin' ny Ayurveda.