Hankany amin'ny vontoatiny

Ficus racemosa

Avy amin'i Wikipedia
Ficus racemosa

Ny Ficus racemosa na Ficus glomerata dia karazana zavamaniry mamony sy roa ravin-tsipoka ao amin' ny fianakaviana Moraceae. Izy io dia teratany any Aostralazia, Azia Atsimo Atsinanana, ary ny Zana-kôntinanta Indiana.

Famariparitana

[hanova | hanova ny fango]

Zavamaniry mitombo haingana izy io, izay manana ravina lehibe marokoroko, mahatratra ny haben' ny hazobotry lehibe na lehibe kokoa aza amin' izay efa be taona.

Voan' ny Ficus racemosa efa masaka

Toetra amantarana azy ny fomba famoany: mivangongo ka manome vondromboa (sampaho) matevina ny voany izay mipoitra mivantana avy amin' ny vatany sy amin' ny sampana lehibe.

Ekôlôjia

[hanova | hanova ny fango]

Mila ny fidirana an-tsehatry ny karazana fanenitra Ceratosolen fuscipeps ity karazana aviavy ity ho an' ny famindrana vovobony, ary mila koa ny fifandraisana amin' ny bibikely hafa toy ny vitsika Oecophylla smaragdina sy ny bibikely mpitsentsitra ranoka Tricentrus sp (Membracidae).

Rajako (Macaca silenus) mihinana voan' aviavy

Sakafo ankafizin' ny rajako Macaca mulatta sy ny Macaca silenus ny voan' ity aviavy ity masaka ary mampiantrano ny fandain' ny lolo Euploea sylvester koa ilay zavamaniry any amin' ny tapany avaratr' i Aostralia.

Fampiasana

[hanova | hanova ny fango]

Manan-danja ara-kolontsaina amin' ny hindoisma sy bodisma ity karazana aviavy ity. Zava-dehibe koa izy io ho an' ny teratanin' i Borneo toy ny any Sabah (Malezia), izay iantsona azy io hoe "nunuk ragang".

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]