Ficus carica
Fiseho

Ny Ficus carica dia karazan-javamaniry mamony, ao amin' ny fianakaviana Moraceae. Karazan-kazo madionika misy voany azo hanina izy io izay teratany any amin' ny faritr' i Mediteranea sy Azia Andrefana ary Azia Atsimo izy io, ary nambolena hatramin' ny Andro Taloha ary mihamaro manerana izao tontolo izao. Atao hoe aviavimbazaha na aviavy ny anarany amin' ny teny malagasy ao amin' ny Baiboly amin' ny dikan-teny malagasy, nefa tsy io ihany no zavamaniry antsoina amin' izany anarana izany. Ny Ficus carica no karazana fantatra indrindra amin' ny vondron-karazana Ficus (misy karazana maherin' ny 800). Afaka miaina hatramin' ny 300 taona izy io ary 7 taona eo ho eo izy vao afaka mamokatra feno.